• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Global Voices Teny Malagasy
Image
Vaovao

Fifidianana Ben’ny tanàna : Tokony hivoaka alohan’ny 11 septambra ny didim-panjakana manainga ny olom-pirenena hifidy hoy ny CENI

07/08/2024 13:29 © Moov

Efa any amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna indray amin’izao fotoana izao ny sain’ny be sy ny maro. Raha tsihivina ny vaovao farany izay navoakan’ny Filankevim-panjakana dia afaka tanterahina ny 11 desambra izao io fifidianana io. Araka izany dia nilaza ny avy ao amin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana fa tokony hivoaka alohan’ny 11 septambra ny didim-panjakana manainga ny olom-pirenena handeha hifidy.

Fandaminana ara-teknika

Raha ny lalàna misy eto Madagasikara dia tokony ho 90 andro mialohan’ny datim-pifidianana no hamoahana ny didim-pitondrana manainga ny Malagasy hifidy. Araka izany dia tokony ho ny 11 septambra izao izany. Etsy andaniny anefa dia nanambara ny avy ao amin’ny CENI fa mbola maro ireo ara-teknika tokony alamina. « Tokony mahatsapa izay fandaminana ara-teknika izay ny tompon’andraikitra rehetra ka hamoaka io didim-panjakana io andro maromaro mialohan’io 90 andro io », hoy ny mpampakatenin’ny CENI. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny fandaminana manoloana ny fanontana ny bileta tokana. Raha tsiahivina ihany koa dia miisa hatramin’ny 1 600 ny kaominina manerana ny Nosy, izany hoe fari-pifidianana mitovy amin’io isa io no hanontana bileta mifanaraka amin’izany. Araka izany dia ho mafimafy kokoa noho ny fifidianana Filoham-pirenena ny fandaminana amin’io. Etsy andaniny anefa dia efa miroso amin’ny fifidianana hatrany ny CENI amin’izao.

Didim-panjakana mandrafitra hevitra maro

Ankoatra io fiantsoana ny olom-pirenena hifidy io dia hevitra maro sy zava-dehibe amin’ny fifidianana no tafiditra ao anatin’io didim-panjakana io. Io farany io no hamaritra ny isan’ny ben’ny tanàna hofidiana raha misy fanovana. Ao anatin’izany ihany koa ny daty tena hanatanterahana ny fifidianana. Ilaina ihany koa izany ho an’ireo mpifaninana raha toa ka amin’ny alalan’ny didim-panjakana hatrany no hanoritsoritra ny antontan-taratasy ilain’izy ireo sy ny anto-bola ho ilaina. Izany rehetra izany no tokony tafiditra ao anatin’ny didim-panjakana fototra ireo. Etsy andaniny anefa dia efa andalam-panomanana fatratra io fifidianana io ny CENI amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany ny fanamarinana ireo fitaovana ho ampiasaina rehetra sy ny fampiofanana ireo izay hisahana ny OVEC hahafahany mandray ny antontan-taratasin’ny mpifaninana.

Lire la suite

Articles Similaires