• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Ho vitaina alohan’ny fotoam-pahavaratra ny fanarenana ny lalam-pirenena RNS11 sy RNT14

07/08/2024 09:52 © Moov

Mitohy ny ezaka rehetra hanarenana ireo lalam-pirenena mialohan’ny fihavian’ny orana. Anisan’ny handraisana izay fanapahan-kevitra izay ny RNS11 sy ny RNT14. Lalana mampitohy an’ny Nosy Varika sy Tsararivotra izay mirefy 100Km ny RNS11 ary mampifandray an’Ifanadiana sy Ikongo mirefy 92Km ny RNT14. Vinavinain’ny Ministeran’ny Asa vaventy ho vitaina mialohan’ny fotoam-pahavaratra ny fanarenana ireo lalana ireo.

Nisy fahatarana ny asa

Amin’izao fotoana izao dia efa mandroso ny asa na dia nisy fahatarana aza izany noho ny sakana ara-toetrandro. Ny fandrakofana vato ny lalan-tany no asa maika mandeha, mba ahafahan’ireo fiara madinika sy vaventy hivezivezy. Marihina fa ireo lalana ireo dia mbola lala-tany hatrany amin’izao fotoana izao. Nanatanteraka fitsidihana ireo lalam-pirenena roa ireo moa ny ekipan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, notarihan’ny Fitaleavana misahana ny Fotodrafitrasa na DINFRA, niaraka tamin’ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Asa Vaventy (DRTP) Vatovavy sy Fitovinany, ny herinandro lasa teo. Tamin’izany no nahitana fa efa manomboka ny fanesorana ireo fotaka eny amin’ny lalana sy ny fandrarahana vato izany. Eo amin’ny teboka halavirandalana PK 6+500 ny asa mandeha ankehitriny ho an’ny RNS11 raha toa ka eo amin’ny PK17 izany hoan’ny RNT14. Mandroso miandalana ny asa amin’ny ankapobeny, ary vinavinaina ho vita mialohan’ny fotoam-pahavaratra.

Hafainganina ny asa

Manamafy ny Ministera amin’izao fotoana izao fa hafainganina ny fanamboarana ireo lalana saro-dalana isan-karazany amin’izao vanim-potoan’ny main-tany izao. Tanjona ny hisorohana sahady ny fahatapahan’ny fifamoivoizana amin’ny fotoam-pahavaratra sy mba hampihena ireo takaitra avelan’ny fandalovan’ny rivodoza. Raha ny hita matetika moa dia ny eny amin’ireo lalan-tany no tena ahitana izany fahatapahana izany noho ny fotaka. Araka izany dia raisina ho laharam-pahamehana ny fanamboarana ireto lalana ireto izay mampijaly hatrany ireo mpivezivezy rehefa fotoam-pahavaratra. Etsy andaniny anefa dia mbola miandry ny anjarany ihany koa ireo lalana hafa izay mampitohy faritra maro kanefa saro-dalana. Misy amin’izy ireny no tsy afaka handehanana mihitsy rehefa fotoam-pahavaratra toa ny lalana mampitohy an’ny Moramanga mankany Anosibe An’ala.

Lire la suite

Articles Similaires