• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mic
Image
Vaovao

ODOF : Voapetraka ny orinasa mpamokatra paty eny amin’ny By Pass

07/08/2024 08:55 © Moov

Notokanana omaly 6 aogositra ny orinasa mpamokatra paty tamin’ny alalan’ny ODOF (One District One Factory). Napetraka tao amin’ny distrikan’Avaradrano eny amin’ny By Pass anatin’ny kaominina Alasora izany. « Allo Food Factory » no anarana napetraka tamin’izany.

Hamokatra paty 4 taonina isan’andro

Mitombo isa indray ireo orinasa ODOF afaka mamokatra entana ilain’ny mponina andavanandro. Raha ho an’ity orinasa eny amin’ny By Pass ity dia heverina hanala fahasahiranana eo amin’ny famatsiana paty izany. Hamokatra izany hatramin’ny 4 taonina isan’andro ny Allo Food Factory. Hamokatra karazana paty maro samihafa ny orinasa ao anatin’izany. Ohatra amin’izany ny « tagliatelle », « nouille », « spaghetti » ary ihany koa ny « pâte fraîche ». Ankoatra izany dia hanampy ny velontenan’ny malagasy maro ihany koa satria lafarinina vita malagasy sy atody avy amin’ny mpiompy akoho eny amin’ny kaominina Ambohimanambola sy Alasora ny akora fototra ho ampiasaina ao anatin’izany. Ankoatra ny paty dia maminavina ny hamokatra sakafo hafa vita avy amin’ny legioma afaka afangaro amin’ny paty ihany koa ny orinasa aoriana kely ao, hoy ny Tompon’andraikitry ny Allo Food Factory.

Haparitaka manerana ny Nosy

Amin’izao fotoana izao dia olona miisa 6 no mampiodina ny orinasa eny By Pass ity. Aoriana kely anefa dia manana tanjona ny hanaparitaka ny vokatra manerana ny Madagasikara izy ireo. Araka izany dia tsy maintsy hisy ny fanamaroana ireo mpiasa ireo mba hahafahana mampitombo ny vokatra. Nanamarika ihany koa izy ireo fa efa ari-fomba ny fitaovana ka izany indrindra no tsy maintsy hampitomboana ny vokatra sy hanapariahana izany manerana ny Nosy. Nanamafy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra fa tokony ho tohizana hatrany ny fampandehanana ny orinasa. « “Sanatria tsy ho fitaovana hojerem-potsiny tsy hiasa ireo fitaovanana novidian’ny Fanjakana lafo ireo », hoy ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), Vahinisoa Rasamoely Ranoelimanana, nisolo tena ny Minisitra Edgard Razafindravahy. Amin’izao fotoana izao rahateo dia efa manampy amin’ny fikojakojana ny milina ODOF napetraka amin’ny distrika sy kaominina samihafa manerana ny Nosy sy amin’ny fikatsahana lalam-barotra, araka izany, ny Orinasa afrikana tatsimo Us Okes.

Lire la suite

Articles Similaires