• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jica
Image
Vaovao

Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany : Tanora malagasy miisa telo handeha hiasa ny Japon tamin’ny alalan’ny JICA

06/08/2024 16:06 © Moov

Voalohany ho an’ny Madagasikara sy ny fandaharan’asa TQS na ny « Travailleurs qualifiés spécialisés ». Tanora Malagasy miisa telo no voasafidy ho andiany voalohany handeha hiasa any Japon amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Nampahafantarina androany ireo telo mianadahy voasafidy tamin’ny programan’asa ireo.

Haharitra dimy taona

Haharitra dimy taona ny fe-potoam-piasana ary hiverina aty Madagasikara indray izy ireo aorian’izay. Hiasa eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana izy ireo rehefa tonga any. Nanome toky kosa anefa izy ireo fa rehefa tapitra io fotoam-piasana io dia hitondra ny fahaizana noratovina tany ho fampiroboroboana ny fambolena eto Madagasikara indray izy ireo. Ity programan’asa ity moa raha tsiahivina dia vokatry ny fifanarahan’ny Filoham-pirenena sy ny Talen’ny JICA teo aloha ny taona 2022. Marihina ihany koa fa anisan’ireo firenena efa manana ny tanjany manokana eo amin’ny sehatry ny fambolena i Japon ka izay no antony handefasana ireto tanora ireto. Tanjona amin’izany ny hampiakarana ny tahan’ny fahaizan’ny Malagasy indray. Tanora miisa 20 izy ireo no nandefa antontan-taratasy tany am-boalohany ary nanaraka fiofanana maro. Ireto telo ireto kosa atreto no voasafidy hiasa any Japon. « Hirariana hanokatra lalana ho an’ny tanora Malagasy ity tetikasa ity na dia ho an’ny firenena hafa ankoatra an’ny Japon aza », hoy ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika.

Mitaky ezaka maro

Manam-pahaizana ny tanora Malagasy hoy ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika. Ny fahafahafana mahazo asa any ivelany toy izao anefa dia mitaky ezaka maro be avy amin’ireo mpandray anjara. Anisan’ny nanano sarotra ireto tanora ireto ny fianarana ny teny zaponey. Ankoatra izany dia teo ihany koa ny tsy fitoviana teo amin’ny fomba fanatanterahana ny fambolena. Mifandray indrindra amin’izany ezaka mila atao izany dia vonona hatrany ny JICA hanohana sy hampiofana ireo tanora malagasy hafa izay tsy lasa any Japon.

Lire la suite

Articles Similaires