• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Vaovao

Antsohihy : Naiditra am-ponja ireo olona miisa 24 saika hiondrana antsokosoko any Comores

06/08/2024 14:35 © Moov

Nandeha sambo kely ireto teratany Somalianina miisa 14 sy Malagasy 10 ireto‚ nikasa hiondrana an-tsokosoko hamaky sisin-dranomasin’i Madagasikara amin’iny tapany avaratra iny. Saron’ny Zandary anefa izy ireo ka naiditra am-ponja vonjimaika ao Analalava amin’izao fotoana izao.

Vehivavy malagasy sy Somalianina

Efa ny volana jolay teo no nisehoan’izany tranga izany. Ny fiandohan’ny volana Aogositra 2024 teo kosa no niakatra fampanoavana ny raharaha ka nahiditra am-ponja vonjimaika ao fonjabe Antsohihy avokoa izy 24 miaraka amin’ny mpanamory. Ankoatra ireo lehilahy izay matetika mitady lalana hivoahana an’ny Madagasikara dia nisy vehivavy ihany koa tamin’ity tranga ity. Vehivavy malagasy miisa fito no tao anatin’ireo mpiondrana ireo raha vehivavy somalianina miisa iraika ambiny folo kosa ny hafa. Raha ny tatitry ny Zandarimariam-pirenena any Sambava dia tsy nanana taratasy fanamarinana ireto Somalianina ireto. Ireo malagasy kosa dia avy amin’ny faritra maro toa an’ny Sambava, Antsiranana, Iharana, Nosy Be ary Mahajanga. Ny fanadihadiana hatrany no nanamarika fa Vola be 200 dolara isan’olona hoan’ny Somalianina‚ 03 tapitrisa Ariary hoan’ny teratany Malagasy no sarany fitaterana azy ireo hivoaka an-tsokosoko io.

Zo ny fivezivezena

Nanamarika ny Zandarimariam-pirenena fa zon’olombelona rehetra ny mivezivezy. Etsy andaniny anefa dia fandikan-dalàna kosa ny fivoahana an-tsokosoko ny sisin-dranomasina ary ahavoazan-tsazy izany. Hamafisina hatrany ny tokony handehanana amin’ny manara-dalana mba hisorohana ny trangan-javatra toy izao. Ankoatra ireo tratra manko dia misy ihany koa ireo mpitsoaka antsokosoko ireny no maty eny an-dranomasina ny sambo ka olona maro no matin’ny hanohanana. Ankoatra izany anefa dia tokony hamafisina ihany koa ny sisin-dranomasina mba hialana amin’ny fanararaotana toy izao.

Lire la suite

Articles Similaires