• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bianco
Image
Vaovao

BIANCO : Kely ny vokatra tsara azo tamin’ny ady amin’ny kolikoly ho an’ny taona 2023

06/08/2024 11:46 © Moov

Nanatanteraka ny tatitra ny asa sy fanadihadiana mikasika ny kolikoly ny taona 2023 ny BIANCO omaly. Tamin’ireo tatitra izay natao no nahitana fa mbola maro ny ezaka mila atao mba ahahafahana manafoana ny lafiny kolikoly amin’ny sehatra rehetra. Tapitra omaly ihany koa ny fe-potoam-piasan’i Andrianirina Laza Eric Donat, Tale Jeneralin’ny BIANCO nandritra ny 5 taona.

Mbola maro hatrany ny fitarainana

Isan-taona dia manao ity tatitra ity hatrany ny BIANCO. Raha ho an’ny taona 2023 dia misy hatrany fitarainana voaray aman’arivony izay mbola tsy dia mihena loatra hatrany izany isan-taona. Miisa hatramin’ny 3 147 ireo fitarainana momban’ny tranga kolikoly voarain’ny BIANCO hoan’ny taona 2023. Tao anatin’izany dia mitsinjara tamin’ny sehatra maro izany. Nosinganina manokana ny sehatra dimy izay nahitana fahamaroan’ny fitarainana. Ny 16% tamin’izany dia kolikoly teny anivon’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana. Hatramin’ny 14% amin’io kosa ny momba ny fananantany raha 12% ny teny amin’ny fitsarana ary 8% avy ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena sy ny lafiny fanabeazana. Ankoatra izany anefa dia nanamarika iny tatitra iny ny fahamaroan’ny fitarainana mikasika ny fanararaotam-pahefana sy fanodikodinam-bolam-panjakana hatramin’ny 50% amin’io antontan’isa io. Tao anatin’io tatitra io ihany koa anefa dia miisa 95 no nampidirina am-ponja vonjimaika, 570 ireo taratasy nalefan’ny BIANCO tany amin’ny rafi-pitsarana hafa ary misy ireo olona mbola arahimaso ara-pitsarana. Araka izany dia mbola maro ireo ezaka mila atao raha ny manodidina ny kolikoly eto Madagasikara.

Tsy afa-po tamin’ny asa ny Tale Jeneraly

Nandritra izay dimy taona nitondran’ity Tale Jeneraly vaovao ity sy ity tatitra izay natao ity dia nanambara ny tenany fa mbola tsy afa-po tamin’ny asa vita. « Tsy hahavitana manafoana ny kolikoly ny dimy taona hiasana raha mahita ny faharatsian’ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao », hoy ny Tale Jeneraly. Marihina anefa fa fe-potoana tsy azo tohizana io dimy taona io ho an’ny BIANCO. Araka izany dia mbola maro ny ezaka tokony hatao. Nanamarika hatrany anefa ny tenany fa tsy vitan’ny BIANCO irery izany asa izany fa ilaina ny fiaraha-miasan’ny rehetra. Tafiditra amin’izany ny fandraisana andraikitry ny tsirairay sy ny fanamafisana ny fanentanana sy fanabeazana rehetra. Anisan’ny fanazavana nentin’ny avy ao amin’ny BIANCO ihany koa ny tsy fahampian’ny enti-manana hanatanterahana ny asa ka tokony hasiam-panavaozana izany.

Lire la suite

Articles Similaires