• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Malagasy Trust Fund
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Manomboka ny fanarenana ny lalam-pirenena faharoa

06/08/2024 10:41 © Moov

Efa ao anatin’ny fanomanana ny fanarenana ny lalam-pirenena faharoa ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Izany no fampanantenan’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Asa vaventy omaly, nandritra ny resaka tamin’ny mpanao gazety. Mialohan’ny handrakofana tara izany dia maro ireo fepetra tsy maintsy hatao mialoha.

Hokitihina avokoa ny fahasimbana rehetra

Anisan’ny lalam-pirenena tena mampimenimenina sy mampitondra faisana ny mpampiasa lalana ny lalam-pirenena faharoa. Tao anatin’ny taona maromaro izay dia mijaly hatrany ireo mpampiasa iny lalana iny. Raha taloha dia vita teo amin’ny 10 ora teo ny lalana kanefa amin’izao fotoana izao kosa dia lasa 14 ora izany. Araka izany dia hojerena sy hokitihina avokoa ireo misy fahasimbana rehetra sy ireo lavadavaka maro be. Anisan’ny zava-dehibe amin’izany ny lalana eo anelanelan’ny Brickaville sy Toamasina izay efa tena simba tanteraka. Eo ihany koa ireo fahasimbana madinika amin’ny lalana eo anelanelan’ny Antsampanana sy Moramanga. « Mialohan’ny handrakofana tara ireo lalana rehetra ireo dia tsy maintsy mandalo dingana maro ireny. Voalohany amin’izany ny famenoana ireo lavaka sy fanamboarana azy ary eo ihany koa ireo lafiny ara-teknika ho jerena. Mbola tafiditra ao anatin’izany asa mialoha izany ihany koa ny fanadihadiana ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana », hoy ny Tale Jeneralin’ny Ministera, Henri Jacob Razafindrianarivo. Aorian’izany asa rehetra izany dia miroso avy hatrany amin’ny fanaovana ho tara indray ny lalana ny Ministera.

Famatsiam-bola roa

Asa lehibe izany ho tanterahina izany. Hanala ny fahasahiranan’ny mpampiasa iny lalana iny. Marihina moa fa anisan’ny sompitry Madagasikara i Toamasina noho ny fisian’ny seranan-tsambo lehibe indrindra ao an-toerana. Araka izany dia efa ao anatin’ny programan’asam-panjakana ny fanamboarana ity lalana ity. Anisan’ny nandray anjara mivantana tamin’ny asa araka izany ny fitondram-panjakana izay namatsy vola miaraka amin’ny Banky iraisam-pirenena.

Tsy hisy ny fahatapahan-dalana

Anisan’ny nomarihin’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny asa vaventy rahateo ihany koa ny fizotran’ny fandaminana. Nampanantena izy ireo fa tsy hisy ny fahatapahan-dalana. Indrindra amin’izao vanim-potoan’ny fialan-tsasatra izao dia hanao ezaka izy ireo hampilamina izany. Hisy ihany koa anefa ny fampahafantarana mialoha ny asa ho atao mba hahafahan’ny rehetra miomana amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires