• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Fiomanana fiatrehana rivodoza : Hiaraka hanao fanazaran-tena ny BNGRC sy ny Tafika Malagasy

06/08/2024 09:18 © Moov

Mikasa hiara-hanatanteraka fanazaran-tena amin’ny volana Septambra 2024 ho avy izao ny BNGRC sy ny Tafika Malagasy. Nihaona tamin’ny Jeneraly Elack Olivier Andriakaja, Tale Jeneralin’ny BNGRC ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Tafika Malagasy. Natao indrindra izany mba hahafahana manamora ny fandaminana sy manatsara ny famonjena ireo mety ho traboina. Nangataka ny fanamorana ny fiaraha-miasa ihany koa ny Jeneraly Sahivelo Monja Lala Delphin, Minisitry ny Foloalindahy

Hitiliana ireo zavatra mila harenina

Amin’ny maha Ministera misahana ireo miaramila manerana ny Nosy ny Ministeran’ny Foloalindahy. Nomarihiny tamin’izany fa voalohany amin’ireo sampandraharaham-panjakàna mifanome tànana amin’ny vahoaka tena marefo manoloana ny rivodoza sy ny tondradrano sy ireo komity eny ifotony izay mitantana ny loza sy ny tandidondoza ny miaramila eny an-kianja. Manana ireo fitaovana manara-penitra sy ireo miaramila voaofana manokana mikasika ny fiatrehana ny hamehana ihany koa ny Minisiteran’ny Foloalindahy. Araka izany dia tsara ny manohy ny fiaraha-miasa izay efa nisy teo anivon’ny BNGRC sy ny Ministeran’ny Foloalindahy amin’ny ankapobeny. Tokony jerena manokana ny fiaraha-manomana fanazara-tena miaraka mba hitiliana mialoha ny zavatra rehetra mila hatsaraina sy tokony hamafisina mandra-piandry ny fahatongavan’ny vanim-potoanan’ny rivodoza. Tapaka arak’izany fa hotohizana miaraka amin’ireo Vondron-tafika sy lehibem-pibaikoana tandrify izany eo anivon’ny Ministeran’ny Foloalindahy miaraka amin’ireo Tale misahana ny fikarakarana izany fanazaran-tena izany eo anivon’ny BNGRC ny fiomanana rehetra ara-teknika. Hanaovana tatitra matetika amin’Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy sy Andriamatoa Minisitry ny Atitany mpisolo toerana kosa anefa ny asa.

Fiomanana

Ity fanazaran-tena ity moa dia tafiditra amin’ny dingana tokony hirosoana mba hanamafisana ny fiomanana amin’ny fahatongavan’ny vanim-potoanan’ny rivodoza. Izao fandaminana sy fikarakarana izao dia vinavinaina hahazoana ampaha-pamatsiam-bola avy amin’ny Vondrona Eoropeana avy amin’ilay Fandaharanasa ho fanamafisana ny fahafahamiatrika sy fitantanana ny asa fihatrehana ny loza aty amin'ny Faritry ny Ranomasimbe Indiana”, hoy ny BNGRC. Ity farany ity izay hiarahana manatanteraka amin’ny Vondron’ny firenena anatin’ny ranomasimbe indiana (COI), sy ny sampandraharan’ny Firenena Mikambana misahana ny fampihenana ny tandindondoza (UNDRR).

Lire la suite

Articles Similaires