• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Pôlitika ankapoben’ny Fanjakana : Hivory tsy ara-potoana ireo Parlemantera

06/08/2024 07:00 © Moov.Mg

Hampahafantatra amin'ireo parlemantera ny fandaharan’asa fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE) ny praiminisitra Ntsay Christian, ka hisy, noho izany, ny fivoriana tsy ara-potoana hotanterahina eny anivon’ny Antenimiera.

Filàn-kevitry ny minisitra manokana

Tapaka tao anatin'ny filàn-kevitry ny minisitra manokana, notanterahina omaly alatsinainy 5 aogositra 2024, ity fampiantsoana ny Parlemantera hanatontosa fivoriana tsy ara-potoana ity. Ny filoha Andry Rajoelina no nitarika io filàn-kevitry ny minisitra manokana io, teny amin'ny lapan'Ambohitsirohitra, natrehin'ny praiminisitra Ntsay Christian sy ireo minisitra sasantsasany. Tapaka, nandritra izany, fa ny zoma 09 aogositra 2024 sy ny alatsinainy 12 aogositra 2024 no hanatanterahana ity fivoriana tsy ara-potoanan'ireo Parlemantera ity. Ao amin’ny Andininy faha-99 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia voalaza fa ao anatin’ny telopolo andro nanendrena azy no anoloran’ny Praiminisitra ny fandarahan’asany momba ny fampiharana ny politika ankapoben’ny Fanjakana amin’ny Antenimiera izay afaka manome tolo-kevitra. Raha tsiahivina dia ny 12 jolay lasa teo no voatendry indray ho praiminisitra i Ntsay Christian.

Lahadinika tokana

Araka ny Lalàmpanorenana hatrany dia misy lahadinika mazava ny fivoriana tsy ara-potoana toy izao. Ny mahakasika ny fampahafantaran’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, amin’ny Parlemanta ny fandaharan’asa fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, noho izany, no lahadinika tokana amin’izao fampiantsoana izao. Tsy maintsy misy ny didim-panjakana famaranana, raha vantany vao tapitra ireo lahadinika nivorian’ny Antenimiera.

Lire la suite

Articles Similaires