• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Icri
Image
Vaovao

Fiarovana ny honko : Namoaka boky fanentanana, amin’ny teny malagasy, ny WWF Madagasikara

05/08/2024 19:27 © Moov.Mg

Mitana anjara toerana goavana amin’ny tontolo iainana, indrindra ny eny amorontsiraka, ny honko. Ho fampahafantarana bebe kokoa ny momba ity rohivoahary ity dia namoaka gazety boky amin’ny teny malagasy, azo vakiana amin’ny alalan’ny endrika PDF, ny WWF Madagasikara.

Karazany fito

Saika ahitana ala honko daholo manerana ny sisin-dranomasin’i Madagasikara, fa any amin’ny morontsiraka andrefana no tena ahitana azy betsaka. Manodidina ny 73 karazana ny honko hita maneran-tany, ka ny 9 karazana amin’ireo no hita eto Madagasikara. Isan’izany ny afiafy na mosotry ; ny songery na farafaka, ny tangambavy na honko vavy, ny tangandahy na honko lahy na ihany koa agnabo vahatra sns. Nanomboka ny taona 1995 dia tombanana ho manodidina ny 3 000 hektara ka hatramin’ny 7 000 hektara isan-taona ny ala honko simba eto Madakasikara, vokatry ny tsindry isan-karazany, toy ny fanapahana hazo honko hamokarana hazon-trano sy arina fandrehitra ; ny famadihana ny faritra honko ho lasa toeram-pambolena sy fiompiana ; ny fanorenana sy fonenana tsy ara-dalana ao anaty faritra ala honko na manodidina azy ; ny fiovaovan’ny toetr’andro… Tena zava-dehibe ho an’ny zava-manan’aina anefa ny honko, raha tsy hilaza fotsiny fa ny ala honko dia mangeja avo 5 heny ny entona karbônina raha mitaha amin’ny ala an-tanety.

Boky mora azo

Vitsy ny boky miompana amin’ny tontolo iainana no voasoratra amin’ny teny malagasy, nefa dia fomba iray ahafahana mampahafantatra ny Malagasy ny maha-zava-dehibe ireo harena voajanahary misy eo amin’ny taniny ny boky, raha azony tsara izay voalaza ao anatiny. Isan’ny antony namokaran’ny WWF Madagasikara ity gazety boky nampitondraina ny lohateny hoe : “Ny rohivoary honko” ity izany. Novokarina ato anatin’ny tetikasan’ny WWF mitondra ny anarana hoe : “mangroves for community and climate”, na “ Ala honko ho an’ny mponina sy ny toetr’andro” izy ity. Novolavolaina manokana ity boky ity mba ho mora azon’ny olon-drehetra tsy an-kanavaka, na tsy manana fahalalana manokana momba ny rohivoahary an-dranomasina sy ny manodidina azy aza. Tanjona ny hampahafantarana ny rohivoary honko sy ny hanentanana ny olona rehetra ny amin’ny tokony hiarovana sy hanajariana azy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires