• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

CAUCUS Africain 2024 : Nivoitra ny mbola fahasarotan’ny fivezivezena eo amin’ny sehatra anatin’ny tsena Afrikanina

05/08/2024 16:34 © Moov

Notanterahina tany Algérie ny voalohany hatramin’ny faha-3 ny volana aogositra teo ny CAUCUS Africain 2024. Nivoitra tao anatin’ireo fivoriana sy ny fifampiresahana rehetra ny fahasarotana eo amin’ny fampiasam-bola sy ny fivezivezena eo amin’ny sehatry ny tsena eto Afrika. Marihina moa fa ny CAUCUS Africain dia rafitra iombonan’ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) sy ny banky iraisam-pirenena ho an’ny Afrika.

Fampiroboroboana ny tsena anatiny

Anisan’ny zava-dehibe noresahina tamin’ity fivoriana ity araka izany, raha ny tatitry ny Delegasiona malagasy tany an-toerana dia ny mikasika ny tsena anatiny aty Afrika. « Mbola manahirana eto Afrika ny fivezivezen’ny olona sy ny entana. Etsy andaniny ihany koa ny fampiasana ny vola. Raha ny tapaka tao dia ny fampiasana ny vola isaky ny firenena hahafahana mifanakalo no ho raisina. Tsara ny manamarika manko fa manary hatramin’ny 5 lavitrisa dolara ny Afrikanina amin’ny fampiasana vola ivelan’ireo firenena ireo satria mbola mandalo banky indray izany hatakalo », hoy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Hatao izany rehetra izany mba hahafahana manamaivana sy manamora ny fomba fampiasana vola aty amin’ny faritanin’ny Afrika.

Fampidirana herinaratra sy haitao ara-kajy mirindra

Ankoatra izany fampiasam-bola izany dia anisan’ny noresahina nandritra io fotoana io ihany koa ny tetik’asa fampandrosoana ho an’ny Afrika. Ao anatin’izany ny fandaharan’asa « mission 300 » sy ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Io voalohany io izay fotodrafitrasan’ny herinaratra eto Afrika iarahana amin’ny Banque Mondiale sy ny BAD ho fanomezana herinaratra olona miisa 300 tapitrisa hatramin'ny taona 2030. Nanaiky ho isan’reo firenena 12 hanaovana andrana hanombohana izany i Madagasikara. Eo ihany koa ny fampiasana io « digitalisation » mba hahafahana manamora ny fifandraisana anatin’ny Afrika.

Lire la suite

Articles Similaires