• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Fampianarana : Hanomboka ny alarobia izao ny fizarana ny « vacation » an’ireo mpitsara BAC

05/08/2024 15:19 © Moov

Milamina. Tsy misy atahorana ny fitsarana ny fanadinana bakalôrea sy ny fivoahan’ny valim-panadinana ho an’ny eto Antananarivo. Ny fahataran’ny fandovana ny « vacation » hatrany no nampitaintaina ireo mpitsara ka mahatonga azy ireo tsy mety miroso amin’ny famoahana ny naoty farany ambany. Nanome toky araka izany ny Ministeran’ny fampianarana ambony fa heverina hanomboka ny alarobia izao ny fizarana io vola io.

Naroso ny fizarana vola

Anisan’ny tanjon’ny Ministera ny hiala amin’ny korontana sy ny olana isan-karazany. Izany indrindra no antony nampandrosoana io fandoavana ny « vacation » io. « Nanao ezaka mihitsy izahay nangataka tamin’ny Ministeran’ny fitantanam-bola mba hanaovana fikarakarana manokana ity vola ho an’ny fanadinana bakalôrea ity. Efa tonga io vola io ary izay no antony nampandrosoana ny fizarana azy », hoy ny Tale misahana ny raharaha ara-bola sy ny fitantanana eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo, Benja Andriatsizehena. Marihina fa raha araka ny fanazavana hatrany dia efa eo anivon’ny Oniversite izany vola izany amin’izao fotoana izao. Araka izany dia sy hisy intsony fahatarana raha io manomboka amin’io alarobia io ny andiany voalohany. Samy efa vonona ao anatin’izany avokoa ny vola ho an’ireo mpitsara na ho an’ireo mpiambina nandritra ny fanadinana. Raha tsiahivina dia efa nilaza ireto mpampianatra mpitsara bakalôrea ireto fa tsy hiroso amin’ny famoahana ny naoty farany ambany (délibération) raha tsy mivoaka ny vacation.

Efa tsy manana trosa intsony

Nanamarika ihany koa ny avy ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo izay ahitana ny Ofisin’ny Bakalôrea fa efa afaka avokoa ny trosa rehetra. Ny volana aprily lasa teo no nandoavana farany ny vacation ho an’ireo nandray anjara tamin’ny fanadinana ny taona 2023. Hialana amin’izany fahatarana izany indrindra no antony nandrosoana ity fizarana ity. Nanamafy hatrany izy ireo fa efa voaloa avokoa aloha ny tamin’iny taona 2023 iny. Na ny teto Antananarivo renivohitra izany na ho an’ireo DREN manodidina. Ho tratrarina araka izany ny tanjona mba hialana amin’ny korontana mateti-piseho amin’io fanadinam-panjakana io.

Lire la suite

Articles Similaires