• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Foloalindahy
Image
Vaovao

Zaikaben’ny Fikambanan’ny Vadin’ny miaramila : Faritra telo no handray ny hetsika

05/08/2024 14:20 © Moov

Hotanterahina amin’ity volana aogositra manontolo ity ny zaikaben’ny Fikambanan’ny Vadin’ny miaramila (FI.VA.MI) raha ny fanambaran’izy ireo ny sabotsy lasa teo. Toerana miisa telo be izao no hanatanterahana izany manerana ny Nosy. Maro ny andraikitra sahanin’izy ireo manerana ny Nosy ka izany no tian’izy ireo hampahafantarina.

Faritra miisa telo

Raha ny fandaharam-potoanan’izy ireo amin’ity volana aogositra ity dia faritra miisa telo no handray ny hetsika. Hotanterahina ao amin’ny SE.MI.PI Beravina Fianarantsoa ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny 8 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao. Tohizana eo amin’ny Kianjan’ny fahaleovantena ao Antsirabe izany ny 12 hatramin’ny 14 aogositra. Hofaranana ny 26 hatramin’ny 28 aogositra kosa ny hetsika any Androva Mahajanga. Hivoitra mandritra ireo fotoana rehetra ireo ny famphafanatarana ny zo tokony sitrahin’ny vehivavy sy ireo zavatra hafa rehetra tokony ho fantatry ny vehivavy.

Hetsika ara-tsosialy

Manamarika ireto vadina miaramila ireto ny hetsika ara-tsosialy izay tanterahiny hatrany rehefa Zaikabe toy izao. Amin’ity taona ity ary amin’ireo faritra telo ireo dia hisy hatrany izany. Ao anatin’izany ohatra ny hetsika ara-pahasalamana isan-karazany, ny didipoitra, ny fizaham-pahasalamana toy ny aretin’ny fo, fitiliana homamiadana hiarahana amin’ny « Fondation Akbaraly », fizahana diabeta sy ny fitsaboana ny tazomoka. Afaka ny handray anjara amin’izany avokoa ny rehetra fa tsy natokana ho an’ny mpikambana irery ihany.
Ankoatra izany anefa dia ho hita ihany koa ireo loabary an-dasy sy fanentanana, ary seho ara-kolontsaina maro isan-karazany. Ho fampahafantarana ny fikambanana rahateo dia hisy ny tranoheva mikasika ny FI.VA.MI.

Miisa 9 000 ny mpikambana

“Vady miaramila miray hina, miara-mientana ho amin’ny fampandrosoana”. Io no lohahevitra iompanan’ny Zaikabe amin’ity taona 2024 ity. Efa mahatratra hatrany amin’ny 9.000 ny isan’izy ireo amin’izao fotoana izao, ary betsaka ireo andraikitra sahanin’ny fikambanana eo anivon’ny fiarahamonina sy ny Firenena, ankoatra ny fanohanana sy fanampian’ny mpikambana tsirairay ny vady andefomandriny avy. Ka mbola miantso ireo tsy ao anatin’ny fikambanana hatrany izy ireo hiditra ao anaty fikambanana mba hahafahana miray hina amin’izany tanjona izany.

Lire la suite

Articles Similaires