• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gef6-Amps
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Hitarina avo telo heny ny valanjavaboahary andranomasina hatramin’ny 2026

05/08/2024 12:22 © Moov

Maminavina ny hanitatra ny valanjavaboahary andranomasina hatramin’ny 1 tapitrisa hektara ny fanjakana, fanampin’ny 1.5 tapitrisa hekatara izay efa misy. Izany hoe ho angezaina avo telo heny io toerana lehibe efa misy io. Tanjona amin’izany moa ny fiarovana ny biby arovana sy hatahorana ho lany tamingana any anaty ranomasina. Nisy ny atrikasa nahafahana nitafa ny momba izany.

Enina hetsy hektara efa andalam-pamaranana

Manankarena morontsiraka hatramin’ny 5 000 km i Madagasikara raha ny fanazavan’ireo manam-pahaizana. Ilaina ny fahaizana mitantana sy mampaharitra azy ireo mba hahafahana miaro ireo biby andranomasina rehetra. « Amin’izao fotoana izao dia efa ny 600 000 hektara amin’ireo ranomasina no efa nadalam-pametrahana azy ho faritra arovana. Heverina ho vita hatramin’ny 2026 kosa ny 400 000 haktara ambiny », hoy ny Solontenan’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Marihina fa ny tena ilaina ireo valanjavaboahary ireo dia ny hahafahana mairo ireo biby miaina sy monina anaty ranomasina kanefa hatahorana ho lany tamingana. Tamin’ireo fikarohana maro be izay natao dia tafiditra ao anatin’izany ny trozona, ny vorona miaina amin’ny rano, ny sokadranomasina sy ireo atsantsa. Ireo biby ireo izay manamarika ny zavamanan’aina eto Madagasikara. Ireo biby ireo ihany koa izay samy efa hatahorana ho lany tamingana sy tsy aharitra intsony mihitsy raha tsy misy ny fandrasiana andraikitra.

Antso tetik’asa

Mba hahafahana manatratra io tanjona io araka izany dia hisy ny antso tetik’asa ho an’ireo fikambanana sy ONG maro maniry ny hanatanteraka io fanitarana ny valanjavaboahary io. Ao anatin’izany dia ny tetik’asa GEF6-AMP no hamatsy vola ireo tetik’asa ho voasafidy amin’izany. Raha ny fikarohana nataon’ireo avy ao amin’io tetik’asa io dia ny faritra andrefana sy iny atsimo iny amin’izao no tena ilaina izany fanitarana izany. Tafiditra ao anatin’izany Mahajanga, Maintirano, Toliara hatrany Tolagnaro. Ireo faritra ireo no ilay atao hoe faritra manan-danja an-dranomasina sy amoron-tsiraka izay ahitàna ireo karazanjavamanaina ahiana ho lany tamingana na ilay fantatra amin’ny teny vahiny hoe KBA na Key Biodiversity Area. Raha ny fanazavana hatrany dia ireo KBA ireo no tena hanitarana ireo faritra arovana andranomasina ireo. Izay marihina fa any amin’ireo toerana ireo no tena ahitana betsaka ny trozona sy ny sokadranomasina ary ireo atsantsa. Tetikasa tontosain’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana maharitra (MEDD) ity, miaraka amin’ny fanohanana ara-bola avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana.

Lire la suite

Articles Similaires