• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fambolena : Mitotongana ny famokarana kafe, nikaro-bahaolana ny Ministera isan-tsokajiny

05/08/2024 10:49 © Moov

Nanatanteraka atrikasa fandravonana ny fanomezan-danja indray ny lalam-pihariana kafe eto Madagasikara ny Ministera maro ny herinandro lasa teo. Tanjona amin’izany ny hanomezan-danja indray ny kafe vokarina eto Madagasikara. Raha ny fikarohana izay nataon’ireo manam-pahaizana manko dia nidina ny famokarana sy ny kalitaon’ny kafe eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Hamahana izany olana izany no anton’ity atrikasa ity.

Paik’ady vaovao

Nivoitra tamin’ity atrikasa izay notanterahina teto Antananarivo ity ny fanatanterahana paik’ady vaovao ho amin’izany tanjona izany. Nanamarika ireo manam-pahaizana maro fa tsy nitsahatra nitontongana ny famokarana sy ny fanondranana izany kafe izany raha ny taona 2020 izay tsy nisy afatsy 495 taonina sisa. Tany am-boalohany anefa dia nahatratra hatramin’ny 43.587 taonina ny vokatra kafe nahondran’i Madagasikara. Manoloana izany olana sedrain’ity lalam-pihariana kafe ity noho izany no nandraisan’ny fitondram-panjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Minisiteran’ny varotra sy ny Indostria, ny sehatra tsy miankina, ny mpamokatra eny ifotony ary ny Tetikasa PIC izay mpanohana ara-bola sy ara-teknika izao ezaka izao. Vahaolana maharitra amin’ny fametrahana ny paikady hoentina mampiroborobo indray ny lalam-pihariana kafe no votoatin-dresaka tamin’izany.

Fandaharan’asa DEFIS

Anisan’ny manampy betsaka an’ny Madagasikara hanatratra izany tanjona izany ny Fandaharan’asa DEFIS amin’izao fotoana izao. Faritra tena hiasany betsaka ny any amin’iny faritra Atsimo Atsinanana, Vatovavy ary Fitovinany iny. Manomboka efa miroso amin’ny fampiroboroboana ity lalam-pihariana kafe ity ireo kaoperativa mijoro any an-toerana amin’izao. Raha ny fanazavana hatrany dia tokony hanakaiky an’ny Vietnam isika amin’ny famokarana sy ny fanondranana kafe. I Vietnam izay niaraka nanomboka tamin’ny Madagasikara tamin’ny fambolena kafe kanefa dia efa manondrana hatramin’ny 1 500 000 taonina, hoy ny avy ao amin’ny PIC. Araka izany dia ny hanakaiky izany no tanjona manomboka izao. Hohatsaraina miainga any amin’ny fikarakarana ny voly kafe, ny fiofanana mandalo amin’ny fanatsarana sy fampitomboana ny vokatra hatrany amin’ny sehatry ny ara-barotra izany rehetra izany. Marihina moa fa anisan’ireo Firenena nanana ny lazany maneran-tany eo amin’ny famokarana kafe i Madagasikara hatrany amin’ny taon-jato faha-19. Ny karazany « robusta » sy « arabica » no niavaka sy tsara kalitao indrindra tamin’ireo kafe novokarina ireo ary ny hamerina izany indray no tanjona amin’izao.

Lire la suite

Articles Similaires