• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Fampiroboroboana ny fanaovam-baksiny : miasa mafy ireo « Reny maodely »

05/08/2024 10:17 © Moov.Mg

Ny mahita reny mitovy aminy atao maodely sy filamatra, no isan’ny maharesy lahatra ny renim-pianakaviana malagasy hampanao vaksiny ny zanany. Zava-dehibe, araka izany, ny asa tanterahin’ireo mpanentana ara-pahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina eny, indrindra any amin’ny faritra ambanivohitra, mba hanatrarana ny tanjona, dia ny fahavitan’ny 80%-n’ny ankizy malagasy vaksiny, hatramin’ny taona 2025.

Mizara traikefa

Tombanana ho 1.224.738 isa ny zaza malagasy eo anelanelan’ny 12 hatramin’ny 59 volana, tsy vita vaksiny mihitsy na iray aza, raha ny antontan’isa tamin’ny taona 2023. Mbola maro mantsy ireo tsy resy lahatra amin’ny fanaovam-baksiny sy amin’ireo tombony ara-pahasalamana azo amin’ny fanaovana izany. Tosika lehibe ho an’ny fampiroboroboana ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara ny fikambanan’ireo “Reny maodely”, izay manatanteraka fanetanana eny anivon’ny fiarahamonina eny. Isan’ireny i Francia, 26 taona, mpikambana ao anatin’ny “Reny maodely” ao Toliara, Faritra Atsimo Andrefana. Napetraka ity rafitra ity, mba ho fanohanana ireo tobim-pahasalamana fototra (CSB), ho fanapariahana ny fanaovam-baksiny mahazatra ho an’ny ankizy, sy ny fanaovana vaksiny covid-19. Araka izany, vita vaksiny avokoa, na ireo reny mpikambana miisa 82, na ny zanak’izy ireo. « Andraikitray ny mandrisika ireo renim-pianakaviana mba hanao vaksiny ny zanany, sy manome toky azy ireo fa ahazoana tombony betsaka ho an’ny fahasalamana izany. Mamaly ireo fanontaniana manitikitika azy ireo ihany koa izahay ary mizara ny traikefanay», hoy ny fanazavan’i Francia.

Mitety tokantrano

Mpanentana ara-pahasalamana, efa hatramin’ny taona 2000 ihany koa i Hélène, 52 taona. Nolaniany tamin’ny fanentanana ny mpiara-monina momba ny fahasalamana, indrindra ny reny sy ny zaza, ny ampahany betsaka tamin’ny fotoanany. Ankehitriny, sady mitaiza ny zafikeliny 12 volana izy no mitety ireo mpiara-monina aminy ao Betania. « Fomba iray hanavotana aina sy hanatsarana ny kalitaon’ny fiainana ny fanaovana fanentanana ny fiarahamonina. Ny iriako dia mba samy hihalehibe ao anaty fahasalamana ny ankizy rehetra ary mba hahazo ny fitsaboana sahaza azy ihany koa ny reny tsirairay », hoy i Hélène. Mitety tokantrano tahaka izany ihany koa i Francia, mandondona isam-baravarana mihitsy ary vao mainka mihamafy ny asa rehefa fotoana fanaovana vaksiny faobe. « Nihanitombo isa ny ankizy vita vaksiny, ka niisa 12 ireo vehivavy nalefan’i Francia (namonjy ny CSB) ary 8 ireo zaza natao vaksiny. Maro ireo vehivavy no tonga mampanao vaksiny na manontany fanampim-panazavana », hoy i Evahangy Jeannie Delphine tomponandraikitry ny CSB miara-miasa amin’i Francia.

Tsy asa raikitra akory ny asan’ireo mpanentana ara-pahasalamana sy ara-tsosialy. Na izany aza, mino ireo vehivavy mirotsaka an-tsehatra fa manan-danja be ny ezaka ataon’ny tsirairay, ho fampiroboroboana ny fanaovam-baksiny. Ny fahafaham-pon’ireo « Reny maodely » dia ny fahatsapana fa nandray anjara tamin’ny famongorana areti-mandoza sy tamin’ny fiarovana ny taranaka amam-para.

Lire la suite

Articles Similaires