• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Vinavinaina ho vita ny volana jona 2025 ny tetezana lehibe ao Soanierana Ivongo

05/08/2024 09:12 © Moov

Mitohy ny asa fanamboarana sy fanavaozana ny fotodrafitrasa izay simba sy vao haorina amin’ny lalam-pirenena. Anisan’izany ny tetezana lehibe eo amin’ny teboka halaviran-dalana PK0+530, lalam-pirenena fahadimy (RNS5). Vinavinaina ho vita any amin’ny volana jona 2025 any ity tetezana lehibe ao Soanierana Ivongo ity.

Vita ny ampahany voalohany

Mirefy hatramin’ny 320 metatra ny halavany ary 7 metatra ny sakan’ity tetezana lehibe ity. Heverina hahazaka fiara roa mifanena moa ity tetezana ity ka izay indrindra no maha-ela ny asa. Amin’izao fotoana izao dia efa ny ampahany voalohany tamin’ny asa no efa vita ary naharitra 14 volana no nanatanterahana azy rehetra tamin’izany. Marihina fa lalana mampitohy an'i Soanierana Ivongo sy Vahibe Mananara izany tetezana izany. Anisan’ny lehibe indrindra eto Madagasikara ary hanampy olona maro izay sahirana tamin’ny fivezivezena nandritra ny fotoana ela ity fotodrafitrasa ity. Mandroso dia mandroso ny asa fanamboarana amin'izao fotoana, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Asa vaventy. Marihina fa ny volana aprily lasa teo no nanao fitsidihana farany tany an-toerana ny Minisitry ny Asa Vaventy, Kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, ka tamin’izany no nilazany fa ho vita tsy ho ela ny fotodrafitrasa.

Hanome endrika vaovao

Hanome endrika vaovao ny tananan'i Soanierana Ivongo sy ny Faritra Analanjirofo ny fahavitan'ity tetezana vaovao sady lehibe ity. Tsy latsa-danja ihany koa ny fandrosoana hoentiny na ho an'ny vahoaka any an-toerana na ho an'ny mpampiasa lalana. Voakasik'izany ihany koa ny lafiny ara-toekarena sy ny sehatra maro samihafa. Ankoatra ity tetezana ity anefa dia lalana mirefy 75,835km no hasiam-panamboarana sy harenina izay efa nanomboka hatramin’ny taona 2021. Mbola misy tetezana miisa 7 ihany koa miaraka amin’izany satria ny RN5 rahateo dia handalovan’ny renirano miisa 8. Tsara ny manamarika fa famatsiam-bola avy amin'ny Fanjakana Malagasy sy avy any ivelany no hanatanterahana ny tetikasa ka ny orinasa Sinohydro no manatanteraka ny asa ao anatin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires