• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Fitantanana ny fako eto an-drenivohitra : Hosivanina sy havahana ny fako, manomboka izao

05/08/2024 08:54 © Moov.Mg

Natomboka tamin'ny fomba ofisialy tamin’ny sabotsy lasa teo, teny amin'ny Fokontany Ampefiloha Cité, ny tetik'asa fisivanana ny fako eto an-drenivohitra. Nanokatra izany ny minisitry ny Rano Fanadiovana ary ny Fidiovana, Ravokatra Fidiniavo, sy ireo mpiara-miombon'antoka

Hangonina isan-tokantrano

Manodidina ny 1 200 hatramin’ny 2 000 m3 isan’andro ny fakon’Antananarivo. Isan’ny antony mahatonga ny fivangongoan’ny fako eto an-drenivohitra ny fomba fanarian’ny mponina ny fako. Mbola maro mantsy ireo manary fako tsy amin’ny ora voatokana ho amin’izany. Mbola tsy manana fahazarana ihany koa ny mponina, manavaka ny karazam-pako, fa ampiarahana anaty fitoerana iray izany rehefa ariana. Ao anatin’ity tetik'asa fisivanana ny fako eto an-drenivohitra ity kosa, dia fako efa voasivana, izany hoe : voaavaka tsara ny fako ôrganika, ny fako plastika ary ny fako ara-pahasalamana (hygiénique), no hangonina isan-tokantrano. Tao amin’ny Fokontany Ampefiloha Cité, Boriborintany voalohany, no nanombohana ny tetikasa, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Tsinjaraina amin'ny harona plastika, araka ny sokajiny avy, ireo fako ireo ary alaina isan-tokantrano, ka iarahana miasa amin’ny Rafitra Fitantanana ny Fako (RF2) ny fanatanterahana izany.

Tetikasa andrana

Nandritra ity fanokafana tamin’ny fomba ôfisialy ity dia nisy ihany koa ny fampisehoana momba ny fomba fanivanana ny fako, notanterahana niaraka tamin'ireo solontenan'ny mponin’Ampefiloha Cité. Tonga teny an-toerana, nanokatra ity tetikasa andrana ity, ny minisitry ny Rano Fanadiovana ary ny Fidiovana, Ravokatra Fidiniavo ; ny Masoivoho japoney miasa sy monina eto Madagasikara, Abe Koji ; ny solontenan'ny Filohan'ny Delegasiônina Manokan'ny ny Tanànan'Antananarivo, ny Sekretera Jeneralin'ny Kaominina, Clara Michel Nala Andrianambony ; ny solotenan'ny Antokon-draharaha iraisam-pirenena misahana ny fiaraha-miasa japoney (JICA) ary ny lehiben'ny Fokontany Ampefiloha Cité. Haharitra telo volana ity tetikasa andrana ity, ka atao Fokontany filamatra ny ao Ampefiloha Cité ary hiitara tsikelikely any amin'ny Fokontany hafa izany avy eo. Marihina fa tafiditra ao anatin'ny tetik'asa « Gestion des déchets solides de la ville d'Antananarivo » (GESDA) ny tetik'asa fisivanana ny fako eto an-drenivohitra.

Lire la suite

Articles Similaires