• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mada 100.8Fm
Image
Vaovao

Anosibe an'Ala : 4 andro no anaovan'ny fiarabe lalana 71 kilometatra

05/08/2024 08:31 © Moov

Mitoka-monina tanteraka i Anosibe an'Ala, faritra Alaotra Mangoro. Ny fiarabe sisa no tonga any an-toerana, ka efatra andro no anaovana ny lalana fitopolo kilometatra mahery.

Miakatra ny vidin'ny PPN, tapaka matetika ny jiro, tsy manambola ny mponina : isan'ny fiantraikan'ny fitokana-monina ireo. Tsy tonga any Anosibe an'Ala intsony ny fiara, na dia 4x4 tena matanjaka aza. Mandrevo ny fotaka ka ny kamiao sisa no tonga any. Na maina aza ny andro dia sarotra andehanana ny lalana. Dia tokony vita ao anatin'ny adiny iray na roa nefa dia atao 4 andro be izao. Amin'ny ankapobeny dia mila taritina ireo fiarabe rehefa tena mandrevo ny fotaka. Misy ihany koa ireo fiarabe simba eny an-dalana ka mila fanamboarana. Lafo araka izany ny saram-pitaterana, betsaka ireo vokatra simba eny an-dalana, ary tsy afaka mamoaka vokatra ireo mponina ao an-toerana.

100 000 ariary ny Taxi-moto

71 kilometatra avy eo Moramanga no misy an'Anosibe an'Ala. Araka ny efa voalaza teo, tsy misy intsony ny fiara mandeha any an-toerana, na fiaran'olontsotra na fiara fitateram-bahoaka. Raha mila mihazo an'i Moramanga, tsy vitsy ireo mponina no mandeha an-tongotra. Azo atao ihany koa nefa ny mandeha taxi-moto, izay amin'ny sarany iray hetsy ariary. Tsy ny olon-drehetra nefa no mahatakatra izany satria misedra fahasahiranana ny ankamaroan'ny mponina. Tsara ny manamarika fa efa tamin'ny taona 2023 no nalaza tamin'ny tambazotra Facebook fa kodiarandroa no ampiasaina itondrana razana, noho ny tsy fahafahan'ny fiara kely na salantsalany mandeha.

Tsy misy rano fisotro madio

Na dia azo lazaina fa akaiky ny renivohitra ihany aza no misy an'Anosibe an'Ala, mbola olana goavana ny tsy fisian'ny rano fisotro madio any an-toerana. Manao antso avo amin'ny fitondram-panjakana ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, Rivolala Elysée Théodore Rafanoniaina, mba hijery izao fahasahiranana mafy manjo ny mponina izao. Mirongatra mantsy ny aretina, tahaka ny Bilharziose. Mila miakatra any Moramanga nefa ireo marary, hahafahana misitraka fitsaboana azo antoka. Iaraha-mahalala nefa ny fahasarotan'ny fivezivezena noho ny haratsian'ny lalana.

Lire la suite

Articles Similaires