• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rivo Ddj
Image
Vaovao

JO Paris 2024 - Seho miavaka no nentin’ny BLOCO Malagasy

02/08/2024 16:17 © Moov

Fandraisana anjara voalohany ho an’ny Bloco Malagasy ao anatin’ny lalao olaimpika.

Niavaka ny talentan’ny Malagasy

Niaka-tsehatra tao Paris ny tarika Bloco Malagasy, omaly alarobia 01 Aogositra. Nahatalanjona ny rehetra ny seho nentin’izy ireo nandritra izany. Maharitra dimy andro ny faharetany fandraisana anjaran’izy ireo ao anatin’ny lalao olaimpika, tontosaina ao amin’ny "Site cours neuve" any Paris. Fampisehoana ara-javakanto, fanehoana talenta sy maro no nentin’izy ireo nanoloana ny mpijery. Tsy ny fanatanjahantena irery ihany moa no asongadina mandritra ny lalao olaimpika tanterahina any Paris ity. Mahazo vahana ao anatin’ny lalao ny lafiny ara-kolotoraly. "Unis par le sport, liés par la culture », io no lohahevitra entina hanamarihana ny lalao tamin’ity taona ity. Voizina ao anatin’ireo tetikasa fifampizarana ara-javakanto mandritra ny hetsika izany. Ankoatran’ireo fandaharan-dalao, misy ny atrikasa miompana amin’ny dihy sy ny mozika, ny fifampizarana ara-kolontsaina eo amin’ny samy mpandray anjara. Tombony ho an’ireto Malagasy mandray anjara amin’ny fampisehoana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany. Lalana maro no hisokatra ho azy ireo ao aorin’izany. Tsara ny mampatsiahy fa vehivavy avokoa no mandrafitra ny tarika, miisa 11. Raha ny fandaharam-potoana ho azy ireo, mbola hisy ny fitetezam-paritra ao Espagne hataon’izy ireo, ao aorian’izao fandraisana anjara anaty lalao olaimpika izao.

Pi-maso ho an’ny kolontsaina Afrikanina

Kolontsaina maro no mifangaro ao aseho mandritra ny lalao olaimpika. Saika tonga mandray anjara amin’izany avokoa ireo mpankanto miavaka isaky ny firenena rehetra. Isan’ireo tonga naneho ny kanton’ny kolontsaina afrikanina tao anatin’ny filatroana ireo afrikana mipetraka sy monina any an-toerana. Ity no pi-maso nentin’izy ireo nilazana fa na any ampita ary izy ireo, tsy manadino ny firenena niaviany. Ilay mamporina lamaody malianina Niakaté Diarriatou no nampilatro azy ireo. Nandravaka ny seho kosa ireo tovovavy oliravina « miss » avy amin’ny firenena afrikanina maro toa an’i Senegaly, Cote d’ivoire, RDC Congo ary Guinée.

Lire la suite

Articles Similaires