• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Festival Sobahya : Ho voizina ny soatoavina Maroambintsy

02/08/2024 15:20 © Moov

Ho tanterahina any Katsepy, faritra Boeny, ny Festival Sobahya ny 9 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao. Telo andro hanindrahindrana sy hampahalalana ny soatoavina sy ny kolontsaina Katsepy Maroambintsy ity fotoana ity. Notanterahina tetsy amin’ny Telma Analakely ny fampahafantarana ny hetsika tamin’ity androany ity.

Hampahafantarana ny kolontsaina

Miditra amin’ny andiany faha-18 ity hetsika ity amin’ity taona ity. Ny taona 2003 no nanombohany ary tao anatin’izany rehetra izany dia mbola vitsy ny mahafantatra ny atao hoe Sobahya. Tanjona amin’ity hetsika ity araka izany ny hampahafantatra bebe kokoa ny kolontsain’ireo mponina ao Katsepy sy ny mampiavaka azy ireo. Ny sobahya moa raha ny fanazavan’ireo mpikarakara hatrany dia karazana lamba izay mampiavaka ny foko sakalava na ireo akanjon’ireo Ampanjaka tany an-toerana sy ny Maroambintsy na ireo mponina ao Katsepy ireo. Araka izany dia natao indrindra hivoizana io kolontsaina io ireo hetsika rehetra mandritra ireo telo andro ireo. « Manoloana ny fanatontoloana dia tsara ny mampahafantatra indray ny kolontsaina rehetra mba ho fanajana azy. Izany no antony lehibe nanatanterahana ity hetsika ity », hoy ny Governoran’ny faritra Boeny, Mokhtar Salim Andriantomanga, anisan’ny mpikarakara ny hetsika.

Hetsika manaja ny soatoavina

Maro ireo seho sy fandaharam-potoana karakaraina mandritra ireo telo andro ireo. « Anisan’ny hanamarika ny festival kosa ny fitazomana ny kolontsaina ka ho fety azon’ny fianakaviana rehetra hatrehina io fotoana io », hoy hatrany ireo mpikarakara. Anisan’ny zava-dehibe indrindra amin’izany ny « défilé de mode » izay entina hanomezana lanja ireto lamba sobahya ireto. Ankoatra izany dia misy ireo hetsika hahafahana miala voly maro any an-toerana. Ohatra amin’izany ny fifaninanana manamory lakana, lomano, fisamborana ganagana sy ireo maro hafa. Hisy ihany koa anefa ireo fampisehoana samihafa. Handray anjara amin’izany ohatra ny mpanakanto Jean Aimé ary ireo mpanakanto avy any Mayotte toa an’ny Choc Choc de Mayotte sy i Komo de Mayotte. Homena sehatra ihany koa ireo mpanao antsa sy ireo mpanaparitaka kolontsaina Sakalava isan-karazany. Miara-miasa amin’ny Telma sy ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ary ny ministeran’ny Serasera sy ny kolontsaina ireo mpikarakara amin’ity hetsika ity. Olona miisa hatramin’ny 20 000 no andrasana amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires