• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senvh
Image
Vaovao

MIAMI Toamasina : Hatramin’ny 60 tapitrisa ariary isam-bolana ny tetibola hampiodinana azy

02/08/2024 13:57 © Moov

Namoaka tao amin'ny pejiny ny Sekreteram-panjakana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH) ny momba ny fandaminana sy ny fikojakojana ny Miami Toamasina. Mahatratra hatramin’ny 60 tapitrisa ny teti-bola ilaina isam-bolana amin’ny fampiodinana sy fikojakojana io toerana io. Anisan'ny mbola mahaliana ny olona ny fitsidihana ity toerana ity amin’izao fotoana izao.

Mizara amin’ny filàna isan-karazany

Tanjona hatrany am-boalohany ary fanamby napetraky ny filoham-pirenena ny fametrahana fotodrafitrasa mampiodina ny toekarenan’ny tanàna sy manosika ireo rojo-pihariana ary mitazona ny kalitaon’ny fotodrafitrasa anatin’ny taona maro. Ho fanatanterahana izany dia io no teti-bola ilaina hahafahana manatratra io tanjona io. Tafiditra ao anatin’io lelavola io avokoa ny filàn’ny toerana samihafa. Ao anatin’izany ny karaman’ny mpiasa, ny lafiny fiarovana, fanadiovana, fikarakarana ny zaridaina sy ny fandaniana madinika. Ankoatra izany ihany koa ny fanarenana goavana. Araka izany dia tsy maintsy miezaka mampivelatra ny fidiram-bola ny mpitantana hiatrehana izany. Mandray anjara amin’ny fampandehanana sy ny fikojakojana ny saram-pidirana 500 Ariary eo amin’ny Park MIAMI. Mifanampy amin’izany ihany koa ny hofan’ireo toeram-pivarotana ao an-toerana ary nahafahana nampiditra jiro sy rano hoan’ireo box 145 mitentina hatramin’ny 30 Tapitrisa Ariary. Marihina moa fa mbola ny eo anivon’ny SENVH no rafitra vonjimaika mitantana sy mikojakoja ny fotodrafitrasa. Miandry ny fahavitan’ny dingana ara-panjakana hametrahana ny orinasa matihanina iarahan’ny fanjakana foibe, ny Commune Urbaine Toamasina, ny SPAT Port Toamasina Officiel, ny SMMC mitantana.

Niakatra avo roa heny ny mpitsidika

Niakatra avo roa heny ny fitsidihana ny tanànan'i Toamasina ary koa ireo hetsika ara-barotra sy ara-toekarena hatramin’ny nisian’ny MIAMI araka ny fanadihadiana natao. Efa samy mahazo tombony avokoa ireo seha-pihariana sy sokajin’asa samihafa toy ny fitaterana, trano fandraisam-bahiny, varotra, fifandraisana…Araka izany dia ho tratra ny tanjona napetraka hampidirana 40 hatramin’ny 80 lavitrisa hoan’ny tanànan’i Toamasina avy amin’ny mpitsidika 1 tapitrisa anatin’ny taona. Mitohy hatrany kosa ny asa eo amin’ny tapany atsimo sy ireo ambiny rehetra araka ny voalazan’ny filoham-pirenena. Hisy ny kianja filalaovana baolina kitra ary ny box fanampiny handraisana ireo mpivarotra ambiny. Etsy andaniny dia mbola misokatra foana ny ao amin’ny Park MIAMI ary malalaka ny fidirana amin’ireo village kiosque sy ny jet d’eau.

Lire la suite

Articles Similaires