• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © An
Image
Vaovao

Madagasikara – Angola : Fifanaraham-piaraha-miasa fito vita sonia nandritra ny fitsidihana ara-pomba ofisialy

02/08/2024 09:07 © Moov

Nilaza ho afa-po tanteraka tamin’ny fitsidihana ara-pomba ofisialy tany Angola ny filoham-pirenena malagasy. Nisy ny vokatra nivaingana tamin’ity fitsidihana ity. Manamafy ny fiaraha-mias sy ny fifanohana samy firenena Afrikanina rahateo izany natao izany.

Ara-diplaomatika

Anisan’ny tena nivaingana tamin’ity dia izay notanterahin’ny Filoham-pirenena sy ireo Delegasiona izay niara-dia taminy ity ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-diplaomatika izay vita sonia. « Fifanarahana ankapobeny mifehy ny fifandraisan’ny firenena roa tonta izany vita sonia izany », hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy, Rasata Rafaravavitafika. Ireo Minisitry ny raharaham-bahinin’ny firenena Malagasy sy Angola natrehan’ny Filoham-pirenena roa tonta no nanatnteraka io fifanovan-tsonia io. Nisongadina tamin’izany ny fanafonana « visa » ho an’ireo tompon’andraikitra manana « passeport diplomatique » na « passeport de service ». Natao indrindra izany ho fanatsarana ny fifandraisana sy ny fivezivezena eo amin’ny firenena roa tonta. Hahafahan’ny firenena roa tonta misitraka fanalefahana fikarakarana taratasy ihany koa ity fomba fiasa vaovao ity. Nifandray amin’izany ihany koa ny fananganana ny vaomiera iombonana. Fomba iray ara-diplaomatika hahafahana manohy ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta amin’ny fomba rehetra izany.

Ara-ekônomika

Ankoatra izany fanamorana ny fifandrasiana rehetra izany dia maro ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-ekônômika izay vita sonia teo amin’ireo Minisitra hafa. Tao anatin’izany ny sehatry ny angovo, harena an-kibon’ny tany ary ny solika. Marihina fa ireo sehatra rehetra ireo dia isan’ny mampisongadina ny Angola hatramin’izay. Raha raisina fotsiny ohatra ny solika. I Angola dia anisan’ny firenena mamokatra solika tsy mbola voadio betsaka indrindra aty Afrika amin’izao fotoana izao. Hikarohana fiaraha-miasa maharitra izany. Ireo sehatra telo ireo rahateo dia ao anatin’ny laharam-pahamehana ho amin’ny fampandrosoana an’ny Madagasikara avokoa. Manamarina izany fa vonona ny firenena roa tontza hifanohana sy hifanampy eo amin’ny sehatra rehetra. Ankoatra ireo anefa dia maniry ny hanokatra fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny fambolena amin’ny firenena malagasy ihany koa i Angola. Tsara ihany koa ny manamarika fa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no Filoha Malagasy voalohany nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ity firenena ao Afrika andrefana ity.

Lire la suite

Articles Similaires