• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Madame Paris
Image
Vaovao

1 AOGOSITRA - Fanapaham-bolo, fahazarana sa fomba?

02/08/2024 07:43 © Moov

Mitombo hatrany ireo olona manapaka volo isaky ny voalohan’ny volana aogositra. Na vavy na lahy dia saika manao izany avokoa, raha ny fanadihadiana.

Efa azo lazaina fa kolontsain’ny Malagasy ny fanapahana volo rehefa 01 Aogositra. Maro no ireny toeram-panaovam-bolo sy fanapahana volo isan-karazany ireny rehefa tonga izany daty izany, sady tsy anavahana sokajin-taona. Misy ireo misafidy ny tsy hanapa-bolo mihitsy ao anatin’ny herintaona fa miandry ny voalohan'ny volana aogositra. Raha ny fiheverana, mifandray betsaka amin'ny vintana izy ity ary mifanaraka amin’ny tetiandro ara-bolana na ny « calendrier lunaire ». Matetika miditra ao anatin’ny fenomanana ny volana rehefa ao anaty fiandohany volana aogositra toy izao. Misy fiantraikany eo amin’ny toe-bolo tanteraka ny tara-bolana mandritra izay vanim-potoana izay, raha ny finoana. Antony iray mahatonga ny safidy hanapahana azy mandritra izay. Raha ny fanehoan-kevitr’ireo olom-pirenena, ny finoana no mahatonga ity kolontsaina fanapaham-bolo rehefa voalohan'ny volana aogositra ho azy ireo. Saika mahafantatra izany avokoa ny ankamaroan'ireo olona nanaovana fanadihadiana.

Misy vokany tokoa ny fanapahana volo ny 01 Aogositra

Vanim-potoana tena mampatevina sy manatsara indrindra ny volo ny fidirana anaty vaninandro mafana mamanala ao anatin’ny volana aogositra. Raha ny nambaran’ireo mpikirakira taovolo, ao anatin’ity daty ity koa no hanalana ireo volo potiky ny fanalan-dririnina sy ny hatsiaka ho an'ireo vehivavy na lehilahy manana izay fahazarana izay. Mamaramparana sahady ny ririnina ny volana aogositra ary miditra amin'ny hafanana indray. Eo no fotoana tsara indrindra hanapahana ny volo sy hanalana ny vakivaky, raha ny fanazavana. Ho an’ny toerana iray fanaovam-bolo nanaovana fanadihadiana, mitombo isan-taona ireo olona manatona azy ireo na fotoana mialohan'ny fety aza. Tsy mampiakatra ny saran'ny fanapahana kosa anefa izy ireo, na eo aza izay fitomboan'ny olona tonga manatona azy ireo izay.

Lire la suite

Articles Similaires