• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tily Eto Madagasikara
Image
Vaovao

Tily eto Madagasikara - Misokatra androany ny lasy jobily faha-100 taona

01/08/2024 16:47 © Moov

Ny mpikambana rehetra ao anatin'ny faritany Tily telopolo manerana ny Nosy sy any Frantsa no tonga manatrika ny lasy. Voizina ao anatin’ireo efatr’andro ireo ny fomba sy toe-tsaina Marika ny Skoto nandritra ny taona maro.

Manomboka androany ny lasy nasionaly faha-100 taona nisian'ny fikambanana skoto Tily eto Madagasikara, tontosaina ao Fihaonana Ankazobe, hatramin'ny 05 aogositra 2024. Saika ireo skoto rehetra manerana ny nosy na any ivelany dia ho tonga hanatevin-daharana amin’izany avokoa. Raha ny fandaharam-potoana ho an'ny anio dia misy ny fotoam-pivavahana fanokafana ny lasy, ny fitetezana trano eva, fiaraha-misakafo, fandaminana sy fandraisana any amin’ny sokajin-dasy, torajolo na ny foaran-dalana ho an’ireo sampana mena, fihaingan’ny sampana mena mankany Fihaonana. Isan’ny mampiavaka an’ity lasy ity ny nametrahana ilay sambo lehibe eo amin’ny teboka halaviran-dalana faha 55 Fihaonana Ankazobe ho marika fanombohana ny lasy. Mifanaraka amin’ny fomba fitaizana skoto ny hazo, tarigetra entina amin’izany koa ny hoe "Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara». Raha ny heviny, ny hazo dia oharina amin’ireo ankizy mpikambana izay kolokoloina manomboka any amin'ny Sampana Mavo (zanakazo), mandalo Sampana Maitso sy Mena (hazo) mandrapahatongany any amin'ny Sampana Menafify (tonga hazo lehibe azo hanaovana lakana, afaka hamakivaky renirano, na ranomasina), ilay tany naniriany kosa dia milaza ilay Mpiandraikitra na Mpanabe Tily ao ambanin'ilay hazo, izay manao ny ainy tsy ho zavatra hahatonga ilay zana-kazo hihalehibe.

117 taona ny skoto, andron’ny fehitenda

Ny Tily dia fanabeazana tanora zazalahy avy amin’ny finoana protestanta (FJKM, FLM, EEM, METM, FMTA), araka ny fomba fanabeazana skoto araka ny nanorenan'i Baden Powell azy. Fikambanana mamolavola ny tanora handray anjara amin'ny fanorenana tontolo tsara kokoa izy ity. Ankoatra ny fifehezana ireo hakingana teknika dia manao asa firotsahana maro atao amin’ny fiarahamonina ireo beazina. Marihina androany koa ny andron’ny fehitenda skoto, miaraka amin’ny tsingerin-taona niforonan’ny skoto. Feno 117 taona anio ny nanombohan'ny skotisma. Tany Nosy Brownsea no natao ny lasy voalohany tamin’izany fotoana. Entina hankalazana izay tsingerin-taona izay eto Madagasikara ny fiarahana mandrehitra afo (fanilo na labozia) ho mariky ny maha iray ny rehetra, hiara-hiredona ny fanekena izay nataony ary farananana amin'ny vavaka ampiarahina amin'ny Vavaky ny Tily ny fotoana.

Lire la suite

Articles Similaires