• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Njakatiana
Image
Vaovao

Tantaran’i Njakatiana, mpanakanto : Ho entin’ny Sahhaf Kaompania an-tsehatra

30/07/2024 14:04 © Moov.Mg

Ho entin’ny Sahhaf Kaompania an-tsehatra ny tantaram-piainan’i Njakatiana, indrindra ny dingana nolalovany teo amin’ny sehatry ny mozika. Seho mbola tsy fahita, no hatolotr’ity kaompania ity ho an’ny mpijery, amin’ny 3 novambra izao.

Seho miavaka

Nitsangana tamin’ny taona 2027 ny Sahhaf Kaompania, ka i Sah no nanorina izany. Tanjona tamin’ny nananganana azy ny hampiroboroboana ny zava-kanto malagasy, amin’ny fomba miavaka sy vaovao, tsy fahita matetika. Amin’ny ankapobeny, niompana tamin’ny fomba malagasy, na tantaran’i Madagasikara hatrany, ny tantara efa nentin’ireo mpanantalenta mpikambana ao amin’ny Sahhaf Kaompania an-tsehara. Amin’ity indray mitoraka ity kosa dia ny tantaran’i Njakatiana, izay isan’ny andrarezin’ny hira sy mozika eto Madagasikara, no ho entin’izy ireo an-tsehatra ny tantarany, amin’ny endrika « comédie musicale ». Araka izany, fifangaroana teatra, dihy, ary hira no ho entin’ny Sahhaf Kaompania mitantara ireo dingana nolalovan’i Njakatiana tao anatin’ny mozika.

Hetsika fitadiavam-bola

Ny 3 novambra izao no hanatanterahana ity fampisehoana ity, ao amin’ny CCESCA Antanimena, izay nampitondraina ny lohateny hoe : « Légende Vivante Njakatiana ». Fa mialoha izay dia hanatanteraka hetsika fitadiavam-bola ny Sahhaf Kaompania, amin’ny 31 aogositra izao, eny amin’ny Pho Resto Ivato, mba ho fanohanana ny hetsika. Ny hiran’i Njakatiana ranoray no hiangaliana amin’io fotoana io. Fanamby goavana no miandry, hoy i Sah, ary tena asa goavana, saingy nilaza izy fa vonona ny hanome ny heriny sy ny fitiavany manontolo mba hampahomby ity hetsika ity, ka hitondra fahafaham-po ho an’ireo mpijery. Efa ao anatin’ny famerenana tanteraka moa ny Sahhaf Kaompania amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires