• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Festival des Baleines 2024 : Shaminah Michel no lany Miss tao Sainte-Marie

21/07/2024 07:24 © Moov

Andiany faha-7 ny fifaninanana Miss Festival des Baleines. Shaminah Michel, avy ao amin’ny fokontany Lokintsy, no nahazo ny satroboninahitra tamin’ity taona ity.

Fanomezana-danja ny foko Antenosy

Foko Antenosy ny ankamaroan’ny mponina ao Sainte-Marie, na dia any amin’ny faritra Atsinanan’ny Nosy aza no misy azy. Nentina nanombohana ny fifaninanana hatsaran-tarehy omaly ny mikasika ny dihy nentim-paharazana Antenosy. Ny “tenue traditionnelle” no nitsarana voalohany ireo mpifaninana. Lambahoany sy salotra no fitafy niraisana, ary samy nanana ny nampiavaka azy ny taovolo. Randrana atsitokotoko no tena tazana.
Nampahafantarina ireo mpanatrika rehetra, na Malagasy na vahiny, fa mitahiry fomba maro ny Antenosy. Naseho ny dihin-drazana izay atao rehefa misy lanonana. Fotoana ny Fagnokarana na Famadihana mantsy izao volana jolay izao.
Nafana ny lanonana satria nanomboka tamin’ny 9 Ora alina (Sabotsy 20 jolay) ka tsy nifarana raha tsy tamin’ny 3 Ora maraina (alahady 21 jolay). Vory maro ireo mponin’i Sainte-Marie, isam-pokontany, nanohana ny mpifaninana.

Fanandratana an’i Sainte-Marie

Miisa enina amin’ireo mpandray anjara dimy ambin’ny folo no nahazo mari-pankasitrahana. Chamina, avy ao Lonkintsy, no nambabo ny fon’ny mpitsara sady nahazo fanohanana tamin’ny mpijery. Nisy ny “dauphine” miisa roa, ny “miss top model”, ny “reine de beauté “ ary ny “coup de cœur du public”.
Rehefa vita ny fanehoana ny kolontsain’ny Antenosy tamin’ny alalan’ny dihy, nisy lohahevitra telo hafa nifaninanana. Nanao “tenue de ville” ireo tovovavy nentina nampisehoana ny fiainana andavan’andron’ny renim-pianakaviana ao Sainte-Marie : mamboly, manofa vary, mahandro amin’ny kitay, maka trondro, miantsena, mandrandrana, sns. Nisy ihany koa ny fanaovana ny “tenue de plage” sy ny “tenue de soirée”.

Nanolotra loka moa ireo mpikarakara sy ny mpanohana, ka anisan'izany ny Telma. Antenaina fa ho lasa lavitra amin’ny fifaninanana hatsaran-tarehy eto Madagasikara sy any ivelany i Shaminah Michel, Miss Festival des Baleines 2024.


Copyright Image : © Moov Miss

Lire la suite

Articles Similaires