• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © 2Roues Festival
Image
Vaovao

Festival « deux roues » : Hanentanana ny mpamily mba hanenana ny lozam-pifamoivoizana ny andiany voalohany

19/07/2024 16:08 © Moov

Hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato ny 3 sy 4 aogositra izao ny andiany voalohany amin’ny Festival « deux roues ». Tanjona lehibe no antony hanatanterahana ny hetsika dia ny hanenana ny lozam-pifamoivoizan ateraky ny moto na ny ny kodiaran-droa.

Fanentanana sy fampianarana

Miisa 6 tamin’ireo lozam-pifamoivozana 76 niseho teto andrenivohitra tao anatin’ny 3 volana no namoizana ain’olona tamin’ny kodiarandroa. Isan’ireo fitaovam-pitaterana be mpampiasa indrindra eto andrenivohitra ny kodiarandroa. Ny olan’ny fitohanana no azo heverina ho tena anton’izany. Maro anefa ireo olona tsy mahafehy ny fampiasana azy ireny akory ka miteraka lozam-pifamoivoizana hahafatesana olona foana izany. Ny tsy fitandreamana, fandehanana mafy, tsy fahafehezana tsotra izao ny fitondrana moto no tsikaritra mampirongatra izay loza izay. Maro ny fanehoan-kevitra miodina mikasika ny fampiasana ireny moto ireny. Hiraisana kosa anefa ny tsy maintsy hahafehezan’ny mpamily ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana, ary ny fitandremana fatratra. Manoloana io tranga io no nahatonga ny hetsika « festival des deux roues ». « Fotoana iray hanentanana sy hampahalalana ny fitsipika rehetra eny amin’ny lalana eny ity fotoana ity. Ny tanjona moa dia ny hanenana ny loza ateraky ny kodiaran-droa », hoy ireo mpikarakara.

Karazana fanentanana samihafa

Haharitra roa andro ny hetsika. Araka izany dia afaka migalabona amin’ny fankafizana kodiaran-droa ireo izay tena tia izany. Ankoatra ireo fampirantiana samihafa sy fampahafantarana ireo karazana fikambanana samihafa dia hanan-karena fahalalana ireo mpitsidika. Hisy ireo famelabelaran-kevitra samihafa handraisan’ireo Tompon’andraiki-panjakana anjara, indrindra ao anatin’ny sehatry ny fitaterana. Ankoatra ireo anefa dia hahitana ireo fanentanana samihafa ihany koa ny hetsika. Fotoana iray hahafahana mahazo ireo sary fahatsiarovana eo amin’ny « moto » izay hankafizina ihany koa ireo roa andro ireo.

Lire la suite

Articles Similaires