• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Foloalindahy
Image
Vaovao

Tantara : Nankalazaina androany ny faha-76 taona nitifirana ireo maherifon’ny firenena teny Ankatso

19/07/2024 15:43 © Moov

Tantara iray tsy tokony ho hadinoina kanefa betsaka no tsy mahafantatra azy no nankalazaina teny Ankatso androany. Lanonana ara-miaramila, ho fametrahana fehezam-boninkazo teny Ampitifirana Ankatso no nankalazaina ny faha-76 taona nitifirana ireo maherifon’ny Firenena ireo. Raha tsiahivina dia nosamboarina sy notifirian’ny Frantsay tamin’ny fotoan’ny fanjanahan-tany izy ireo noho ny fitiavan-tanindrazana ka nanatanteraka tolona tao anatin’ny faritry ny Ankatso.

Tantara tsy tokony hadinoina

Isan’ny tantara nanamarika ny tolom-panavotana nialana teo ambany vahoan’ny Frantsay ny nitifirana ireo mpiady tia tanindrazana miisa 5 teny Ankatso ireto ny taona 1948. Anisan’ny mpitari-tolona izy ireo, ary ny tanjon’izy ireo tamin’izany dia ny mba hanomezan’ny Frantsay ny fahafahana ho an’ny Madagasikara. Nahitana an’i Randriamaromanana Albert, Rakotondrabe Samüel, Ratsizafy Samüel, Lezoma, ary Bekamisy, Ity farany ity izay mpandraharaha malagasy sady mpamatsy vola ny tolona. « Lanonam-pahatsiarovana ny androany satria tantara tsy hay kosehina ary nanamarika ny fiainam-pirenena ireny tantara ireny. Naneho ny fahafoizan-tena sy ny fitiavan-tanindrazana ka rariny raha tokony ho fantatry ny taranaka aty aoriana. Izany no antony hanatanterahana ny fahatsiarovana matetika toy izao », hoy ny Jeneraly Sahivelo Monja Delphin, Minisitry ny Foloalindahy teny an-toerana. Nanamarika izy tao anatin’izany fa tokony hampahafantarina ny tantara mba tsy ho diso fandraisana ireo taranaka mifandimby.

Fitiavan-tanindrazana

Fihetsika iray naneho ny fitiavan-tanindrazana izany nasehon’ireto mpitari-tolona ireto izany. Niantso ny Malagasy rehetra araka izany ity Minisitra ity ny hitohizan’izany fanehoana fitiavan-tanindrazana izany. « Aoka tsy hatao tsinontsinona ny rà latsaka tamin’izany fotoana izany. Tokony hanampy antsika hamelomaso sy hampiredareda ny fitiavan-tanindrazana izany », hoy izy nandritra ny lahateniny. Hanampy sy hampisandratra an’ny Madagasikara ny fahalalana ity tantara ity. Izany dia mba hahafahan’ny rehetra manatsara ny fiainany mba hizorany makany amin’ny fampandrosoana hatrany. Marihina fa tombontsoa ho an’ny Madagasikara ny fihetsik’ireto mahery fo ireto ka tokony ho tohizana izany fikarohana tombontsoa izany. Tanjona tamin’ity fankalazana ity moa ny hahatonga ny olom-pirenena tsirairay handray andraikitra, handala sy hanandratra hatrany ny hambompo sy ny fitiavan-tanindrazana.

Lire la suite

Articles Similaires