• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Vaovao

Valan-jazava-boahary Tsimbazaza : Efa mandeha ireo ezaka fanarenana ny fotodrafitr’asa sy ny toerana

19/07/2024 14:54 © Moov

Nandritra ny fotoana naharitra dia narefo ny fikarakarana ny fotodrafitr’asa sy ny toerana rehetra ao anatin’ny valan-java-boaharin’ny Tsimbazaza. Efa tany amin’ny volana febroary tany no nisolo ny Tale mpitantana io toerana io ary tao anatin’izany no nanomboka ny fanarenana indray ny toerana.

Misy ny ezaka natao

Raha tsiahivina dia maro tamin’ireo biby no narary sy nitondra takaitra noho ny tsy fikarakarana samihafa. Amin’izao fotoana izao dia efa mandroso ny ezaka rehetra hanatsarana sy hamerenana indray ny toerana hoy tsara sy mahatamana ary mahasalama ireo biby. « Efa maro ny ezaka natao. Ao anatin’izany ny fanesorana ireo kilalao tsy ara-dalana izay mety hanimba ny fomba fiainan’ireo biby. Ao ihany koa ny fanaraha-maso ireo mpivarotra nahazo fahazoan-dalana. Nojerena tao anatin’izany ny fifanarahana tamin’izy ireo ka nohamarinina ny zavatra afaka ataony sy tsy azony atao », hoy ny Tale Jeneralin’ny Parc Tsimbazaza. Nanamarika ity Tompon’andraikitra ity fa hiezaka hitondra ny anjara birikiny ho fanarenana io toerana fiompiana biby io. Maro ihany koa ireo fepetra vaovao izay napetraka mba hahafahana manatsara hatrany ny toerana.

Olana eo amin’ny enti-manana

« Ny famatsiana ara-bola sy ny enti-manana hatrany no azo lazaina nahatonga ity toerana ity nandray ireny kilalao sy mpivarotra isan-karazany ireny. Natao mba hamenoana ny filàna izany », izany indray kosa ny fanazavana azo avy amin’ny Alliance Voahary Gasy, naneho ny heviny momba ny olana ao an-toerana. Etsy andaniny anefa dia manimba ireo biby ny fisian’ireny zavatra samihafa ireny. Mahatonga ny biby hanana rarin-tsaina ny feo tsy mahazatra azy. Izany no mahatonga ny ain’izy ireo ho kely ka mety hamparary azy ireo matetika sy handringana azy. Araka izany dia mangataka ny hanalana ireny zava-misy manohitohina ny fiainan’ireo biby ireo izany ny AVG. Nanamarika izy ireo fa tsy tokony hisy afatsy ny biby sy ny mpiambina azy irery ihany ao anatin’io toerana io. Raha ny fanazavana hatrany dia tokony hipetraka amin’ny toerana natoraly hatrany ireo biby ireo mba hampivoatra sy hahasalama azy.

Lire la suite

Articles Similaires