• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antm
Image
Vaovao

Mpitsabo nentim-paharazana : Mangataka ny hampidirana ny dokambarotra amin’ny endriny rehetra ho ao anatin’ny heloka an’habaka

19/07/2024 11:34 © Moov

Mbola maro ny Malagasy no voasariky ny fitsaboana nentim-paharazana. Misedra olana anefa izy ireo mpitsabo sy ny mpanjifa noho ny fisian’ny hosoka sy ny lainga ao anatin’izany. Nanatanteraka fihaonana omaly ny Fikambanan’ireo Mpitsabo Nentim-paharazana (ANTM). Nandritra izany no nilazan’izy ireo fa tokony hampidirana ao anatin’ny heloka an’habaka ny dokambarotra amin’ny endriny rehetra momba io fitsaboana io.

Zava-doza ho an’ny fahasalamana

Nanamarika izy ireo fa zava-doza ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fisian’ireny dokam-barotra ireny. Voaray ao anatin’izany avokoa na ireo amin’ny fahitalavitra, radio, gazety, facebook sy ireo endriny hafa rehetra. « Efa maro ny voasoloky tamin’ireny doka ireny. Miendrika fanararaotana ihany koa ireny ary mety hiteraka takaitra betsaka amin’ny fahasalaman’ilay olona », hoy ny Filohan’ny ANTM. Araka izany dia mangataka izy ireo ny hampiharana ny sazy mifanaraka amin’izany. Ireo rehetra izay ao anatin’ny fikambanana ihany atreto no tokony manana alalana hanaparitaka izany fitsaboana izany. Raha tsiahivina ihany koa dia tafiditra ao anatin’ny fehezan-dalàna momba ny fahasalamana ity fitsaboana nentim-paharazana ity. Araka izany indrindra dia mbola mihatra amin’ireo izay minia manao hosoka izany ny lalàna rehetra mifandray aminy.

Maro ireo mpisandoka

Ankoatra izany dokam-barotra izay heverin’izy ireo fa lainga, mbola manampy trotraka ny olana ihany koa ny fisian’ny mpisandoka. « Mbola maro ireo mpisandoka milaza ho mpitsabo nentim-paharazana. Aminay dia tsy manankery ireny rehefa tsy miditra ao anatin’ny fikambanana ary mahafeno ny fepetra rehetra », hoy hatrany ny fanazavana. Tsy mahafeno ny mason-tsivana ho mpitsabo nentim-paharazana akory ireny olona misandoka ireny, raha ny fanazavana. Ao ireo izay milaza ho mampiasa fitaovana moderina sy mandainga amin’ny aretina mety mahazo ilay olona. « Tsy azo lazaina ho mpitsabo nentim-paharazana ireny satria tokony mifandray amin’ny fitsaboana môderina ity anay ity fa tsy manenjika sy misalovana ny asan’ireo mpitsabo moderina indray », hoy hatrany ity Filohan’ny Fikambanana ity. Manimba tanteraka ity fomba fitsaboana ity izany ary mety hiteraka zava-doza amin’ny fahasalamam-bahoaka

Lire la suite

Articles Similaires