• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Antenimieram-pirenena : Misesisesy ny fitsidihana ara-pomba fanajana ny Filoha vaovao

18/07/2024 18:07 © Moov.Mg

Ny 15 jolay lasa teo no vita ny famindram-pahefana teo amin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena vaovao, Tokely Justin, sy ny filoha mpisolo toerana, Rabenirina Jean Jacques. Araka izany, efa am-perinasa tanteraka izy ankehitriny ary nisesisesy ny fandraisany ireo mpitsidika, raha ny andron’ny omaly fotsiny.

Administratera sivily

Isan’ireo tonga nitsidika ara-pomba fanajana ny Filoha vaovaon’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, omaly alarobia 17 jolay 2024, ireo mpikambana eo anivon’ny Biraon’ny Sendikan’ireo administratera sivily, na ny SYNAD. Tsara ny manamarika fa administratra sivily ihany koa ny Filoha vaovaon’ny Antenimierampirenena. Taorian’izay dia ireo mpikambana eo anivon’ny Tambajotra Parlemantera ho an’ny Rariny ara-Pananahana (RPJR) indray no nihaona taminy, notarihin’ny Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao Moramanga, Rajaobelina Lova Herizo. Nandritra io fihaonana io koa no nampahafantaran’izy ireo ny « Forum parlementaire de la SADC » (FP-SADC), ny antom-pisiany, sy ireo tetikasa tanterahiny.

Olan’ny tsifananantsata

Nandray ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara eo amin’ny sehatra isan-karazany ihany koa ny Filoha vaovaon’ny Antenimierampirenena, tamin’io andron’ny omaly io. Ny tale jeneralin'ny Alliance Française d’Antananarivo, Pierre-Alexandre Kubler no noraisiny voalohany, ny tolakandro. Sady niarahaba an’Atoa Tokely Justin, amin’izao andraikitra vaovao sahaniny izao izy, no nanao jery todika ihany koa, momba ny fiaraha-miasa teo amin’ny Antenimierampirenena sy ny AFT. Sady fanaovam-beloma ihany koa moa ity fihaonana ity, satria handao an’i Madagasikara atsy ho atsy i Pierre-Alexandre Kubler. Taorian’izay dia tonga nitsidika ara-pomba fanajana ny Filohan’ny Antenimierampirenena ny delegasiônina avy ao Pretoria Afrika Atsimo, mpikamban’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fifindra-monina (Haut-Commissariat des Nations-Unies pour les Réfugiés/HCR), notarihin’ny tale lefitry ny biraom-paritra aty Afrika Atsinanana, Angèle Djohossou. Voaresaka nandritra ny fihaonana ny momba ireo fiaraha-miasa efa nisy teo amin’ny Antenimierampirenena sy ny HCR. Nodinihina ihany koa ny mikasika ny olan’ny tsifananantsata (apatridie) sy ny dingana efa natao hananana “Code de nationalité” vaovao ary ny pôlitika nasionaly ho famongorana izany tsifananantsata izany. Fantatra nandritra ny fihaonana fa hisy ny fivoriambe any Genève, amin’ny volana oktobra ho avy izao, momba ity lohahevitra ity.

Lire la suite

Articles Similaires