• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ontm
Image
Vaovao

Fizahantany : Tsy mahasahana ny filàna rehefa fotoana mahabetsaka mpizahatany ny isan’ny mpitaridia

17/07/2024 11:03 © Moov

Mitombo hatrany ny isan’ny mpizahatany eto Madagasikara isan-taona. Miakatra ihany koa izany rehefa vanim-potoana fialan-tsasatra (haute saison) toy izao. Mifandray amin’izany indrindra dia milaza ny Federasionin’ny mpitaridia fa tsy ampy isa izy ireo rehefa toy izao.

Miisa 2 500 manerana ny Nosy

Raha ny antontan’isa farany dia nilaza ny Filohan’ity Federasiona ity fa miisa 2 500 izy ireo amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ireo avokoa ny mpitaridia ho an’ny toerana iray, ny mpitaridia ho an’ny faritra, ny « guide accompagnateur national » ary ny mpitaridia manokana. « Tsy ampy anefa izahay amin’izao fotoana maha betsaka ny mpizahatany izao. Raha tsy hiteny fotsiny aho rehefa hiditra anaty ala. Raha tsy mamandrika mialoha ela be dia tsy maintsy miandry ny fahavitan’ny niditra teo aloha vao mahazo mpitaridia any an-toerana”, hoy i Manitra Randriambololona, Filohan’ny Federasiona, nanazava. Nanamarika ihany koa ny tenany fa raha tsy misy ny sehon-javatra dia hitombo isan-taona ny isan’ny mpizahatany. Vao mainka manamafy izany fa mila fanampiana farany izay haingana io antontan’isa io. Tafiditra ao anatin’izany « haute saison » izany manomboka ny volana jolay hatramin’ny volana oktobra. Azo lazaina ho ampy kosa anefa ireo mpitaridia rehefa « basse saison ».

Fizahantany anaty natiora

Nanamarika ity Filohan’ny Federasiona ity fa ny fizahantany anaty natiora na ilay antsoina hoe « tourisme de découverte » no tena mahaliana ny mpizahatany aty Madagasikara. Ny 40% amin’izy ireo dia frantsay na vahiny miteny frantsay avokoa raha eo ho eo amin’ny 5% eo ireo miteny anglisy ary 2% ny aziatika. Ankoatra ny tsy fahampian’ny mpitaridia, indrindra ireo any anaty ala dia misedra olana hafa ihany koa izy ireo. Ao anatin’izany ohatra ny tsy fahampian’ny efitrano fandraisam-bahiny. Mbola maro araka izany ireo lesoka mila harenina. « Ny finiavan’ny fanjakana hanova ny politika nasionaly no ilaina mba hampivoatra ny lafiny rehetra amin’ity fizahantany ity », hoy hatrany ny fanazavana. Raha tsiahivina ny tanjona amin’ny taona 2030 dia ny hampiditra mpizahatany hatramin’ny iray tapitrisa. Tafiditra ao anatin’ny ezaka tokony atao araka izany ny fanamboarana lalana, fananganana fotodrafitr’asa handraisam-bahiny maro ary ny fitazomana ny fandriam-pahalemana.

Lire la suite

Articles Similaires