• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

« Slam poésie » : Kanto efa manana ny toerany, fa mbola mila omena lanja

12/07/2024 16:16 © Moov.Mg

Zava-kanto azo lazaina ho an-dalam-pivelarana ny « slam poésie » eto Madagasikara. Efa mandray anjara amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena ihany koa aza ireo mpiangaly ity kanto ity. Manana ny heviny momba ny toeran’ny « slam poésie » eto amintsika i Vitsika sy i Andriamisetra, samy ao anatin’izany sehatra izany.

Tononkalo mamelaka

Raha oharina amin’ny tamin’ny 5 taona lasa, efa mihamahazo aina kokoa ny « slam poésie » eto Madagasikara, raha ny fahitan-dRakototiana Dimbiniaina Stéphane na i Vitsika azy. Mpiangaly ny « slam poésie » ny lehilahy ary efa nilona tao anatin’io taranja io nanomboka ny taona 2019. « Efa betsaka kokoa ny olona sy taitra be rehefa maheno ny « slam ». Tsy hoe tsy misy intsony ny tsy mahafantatra azy, fa efa mba vitsivitsy kosa », hoy izy. Raha ny tena marina, efa velona foana hatramin’izay ny « slam », fa mbola mivelatra kokoa ankehitriny, hoy kosa i Andriamisetra Eric, izay niangaly ny « slam » nanomboka ny taona 2017. Raha ny fanazavany dia isan’ny fomba iray azo andikana ny teny anglisy hoe : « slam », ny « felaka ». Raha tsotsorina izany dia tononkalo mamelaka ny « slam poésie ». Araka izany, misy tokoa ny mahasamihafa azy amin’ny tononkalo, toy ny tsy fanarahany rafitra manokana. Entina amin’ny fomba malalaka kokoa ny « slam poésie », hoy i Vitsika.

Zava-kanto malalaka

Isan’ny mampiavaka ny « slam poésie » ihany koa ny fahalalahan’ny lohahevitra azo entina manoratra azy. Raha i Vitsika manokana dia tsy voafehin’ny lohahevitra, fa arakaraky ny zava-mitranga eo amin’ny fiainany no manainga ny fanahiny, na hafaliana na alahelo. « Ny lohahevitra tsy voafehy mihitsy no tsy hay ny manoratra azy », hoy izy. Manamafy izany i Andriamisetra : « Raha omena avarapatana aho dia havanana, ary afaka mampiasa ny lohahevitra rehetra. Izay koa no mampiavaka ny « slam » : afaka miresaka ny zava-drehetra », araka ny nambarany. Fanirian’ireto mpiangaly ny « slam poésie » roa ireto moa ny hanomezana toerana kokoa ity zava-kanto ity. Hatreto, raha ny tsikaritr’izy ireo, dia ireo ivon-toeran-kolontsaina vahiny no tena mampiantrano ny « slam ». Tokony mba homena lanja ihany koa ny « slameurs », hoy izy ireo, satria afaka mitondra ny anjara birikiny ao anatin’ny tontolon’ny kanto.

Lire la suite

Articles Similaires