• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena : Randrianasoloniaiko Siteny no voafidy

12/07/2024 11:46 © Moov.Mg

Sambany no tafapetraka ny lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, raha toa ka adihevitra tsy nety vita ny momba izany, tamin’ny fe-potoam-piasana teo aloha. Randrianasoloniaiko Siteny, Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i Toliara I, no natolotry ny vondron’ny mpanohitra ho Filoha lefitra ho an’ny mpanohitra.

Filoha lefitra fahafito

Ilaina ny fisian’ny mpanohitra, amin’ny tany demôkratika rehetra, maneran-tany, mba hisian’ny tsikera mitarika mankany amin’ny fampandrosoana. Voafidy ho filoha lefitra fahafito eo anivon’ny Antenimierampirenena, izany hoe : hitazona ny toeran’ny filoha lefitra misolo tena ny mpanohitra, Randrianasoloniaiko Siteny, amin’izao fe-potoana faharoa hiasany amin’ny maha-Solombavambahoaka azy izao. Tsiahivina fa notsipihina mazava tao anatin’ny fanavaozana ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena, fa tsy olon’ny mpanohitra any ivelany no hapetraka ho filohan’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimi¬eram¬pirenena, fa tsy maintsy parlemantera. Tanteraka izany, ankehitriny.

Ankolafin-kery fanoherana

« Voalohany amin’ny tantaram-pirenena no manana Filoha lefitra eo anivon’ny Antenimierampirenena ny Mpanohitra eto Madagasikara. Isaorako ny Vovonana Firaisankina sy ny antoko rehetra mandrafitra azy, amin’ny fahatokisana ahy », hoy Randrianasoloniaiko Siteny, taorian’ny naha-voafidy azy. Nanamafy ny fahavononany hiantsoroka ireo adidy rehetra miandry ny Solombavambahoaka avy amin’ny ankolafin-kery fanoherana izy, dia ny fahasahiana mitondra ny tenin’ireo vahoaka sahirana ; ny fiarovana ny Demôkrasia sy ny fahafahana maneho hevitra ; ary ny fanaraha-maso ny Mpanatanteraka.

Lire la suite

Articles Similaires