• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Famatsiana herinaratra : Mihamafy ny fampiharana ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo

12/07/2024 10:20 © Moov

Maharitra hatramin’ny ora telo ny fahatapahan-jiro mifandimby ato anatin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA). Misy ireo toerana sasany izay miaina izany miverimberina sy maharitra. Miteraka fatiantoka amin’ny fitadiavam-bola sy ny fihariana anefa izany ka mampimenimenina ireo mpanjifa.

Mbola an-dalana ny fiarabe mpitondra solika

Raha ny fampitam-baovao farany avy amin’ny orinasa JIRAMA dia mbola tsy tonga eto antoerana ireo fiarabe mpitondra solika. Mbola an-dalana ireo fiarabe mitondra solika mavesatra avy any Toamasina. Etsy andaniny anefa dia milaza ihany koa izy ireo fa miha-ritra ihany koa ny tahirin-tsolika eo am-pelatanana hampihodinana ireo milina mpihary herinaratra. Araka izany dia nampitomboina io faharetan’ny fahatapahan-jiro mifandimby io. Haharittra hatramin’ny adiny telo izany isaky ny faritra. Nilaza kosa ireo mpanjifa fa maherin’ny adiny telo izany fahatapahana izany ary miha-ratsy hatrany ny vokany. « Tapaka dia miverina kely ora iray dia tapaka indray mandritra ny 4 ora. Tena manimba ny fitadiavam-bola mihitsy ilay jiro tapaka lava io », hoy ity mpitazona toerana fanaovam-bolo iray etsy Behoririka Ankaditapaka. Raha tsiahivina dia anisan’ny toerana hiaina izany fahatapahan-jiro izany io toerana io ary haharitra mihitsy izany. Toy izany ihany koa ny eny Ankadifotsy, Ambodivona, Ivandry, Analamahitsy, Soarano, 67Ha, sy ireo toerana maro hafa.

Hatsaraina ny fomba fiasa

Anisan’ny angatahin’ireo mpanjifa ihany koa ny hampifanarahana ny fomba fiasa amin’ireo tolotra izay misy olana amin’izao fotoana izao. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny fikaontiana ny isa marina tamin’ny fandaniana nandritra ny fahatapahan-jiro. Eo ihany koa ny tokony hananan’ny orinasa JIRAMA faharetana sy fangorahana ho an’ireo izay tsy mahavoaloa ny vidin-jiro amin’ny fotoanany. « Tsy misy fiovana mihitsy ny fomba fiasa fa vao tara kely dia bedy ny mpanjifa. Kanefa tsy afaka hitady vola rehefa tapaka ny jiro ka manjary tsy ampy ilay vola ahodina », hoy ity mpanjifa iray monina etsy Antanimena. Olana efa ela no nisian’ity tsy fahampiana solika mavesatra ity ka rehefa tojo ny tranga toy izao dia tokony hifanaraka amin’izay tolotra izay ihany koa ny asa atao, hoy hatrany ireo mpanjifa sasany. Tsara ny manamarika fa miankina amin’ny herinaratra vokarin’ny orinasa Jirama avokoa ny ankamaroan’ireo asa madinika sy salantsalany eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires