• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mesupres
Image
Vaovao

Fanadinana bakalorea : Nisitraka fitaovana hanamafisana ny fiarovana ny Ministeran’ny fampianarana ambony

11/07/2024 11:39 © Moov

Herinandro mialohan’ny fanadinam-panjakana fahatelo lehibe dia ny bakalorea izany. Nisitraka fitaovana avy amin’ny Ministeran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ho ampiasaina indrindra izany amin’ny hetsika fiarovana mandritra io fanadinana io.

Fitaovana nomerika

Ao anatin’ny fikarakarana tanteraka ity fanadinana ity ny ministera amin’izao fotoana izao. Izany indrindra no antony nanolorana azy ireto fitaovana ireto. « Tablettes » miisa 100 no natolotra ny ministeran’ny fampianarana ambony tao anatin’izany. Nandray ireto fitaovana ireto, ary nisolotena an’Andriamatoa Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa mpisolo toerana, Pr Ravokatra Fidiniavo ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera, Pr Salava Julien. « Ho ampiasaina ireto fitaovana vaovao ireto ho fitsitsiana ny fotoana sy ny vola ary hahazoana fahombiazana bebe kokoa », hoy ny avy ao amin’ny Mesupres. Inoana ihany koa fa tena hanampy betsaka amin’ny filàna ho fanatsarana ny fomba fiasa indrindra amin’ny fanatontosana an-tsakany sy andavany ny fanadinana Bakalorea ireto fampitaovana ireto.

Fampiroboroboana ny fanatobiana nomerika

Tafiditra ao anatin’ny hetsika hatao rehetra momba ny fanatobiana nomerika (digitalisation) izany asa rehetra izany. Tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana moa ny fanatobiana nomerika ary tanjona ihany koa ny fampiroboroboana ireo Oniversite manakaiky vahoaka. Araka izany dia hisitraka izany ihany koa ireo Oniversite hafa rehetra ireo. Marihina anefa fa amin’ity bakalorea 2024 ity dia hamafisina kokoa io fiarovana ny fanadinana io amin’ny alalan’ireo fitaoana ireo. Izany no hampiasaina voalohany ireto « tablettes » ireto. Raha tsiahivina, ny 22 ka hatramin’ny 26 jolay izao ny bakalorea ankapobeny sy ny tapany voalohany amin’ny bakalorea teknika ary ny 29 jolay ka hatramin’ny 1 aogositra ny tapany faharoa amin’ny bakalorea teknika. Miisa 218.359 ny isan’ny mpiadina bakalorea amin’ity taona ity, raha atambatra avokoa, ka ny 207.097 amin’ireo dia avy amin’ny fampianarana ankapobeny, 11.041 ny bakalôrea « professionnel » sy ny teknika ary ny 221 ny teknolojia.

Lire la suite

Articles Similaires