• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Takaitran’ny rivodoza : Miisa 90 219 ireo niala ny toeram-ponenany noho rivodoza Batsirai sy Emnati

11/07/2024 09:24 © Moov

Nisy ny atrikasa niarahana tamin’ny Birao Nasionalin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) sy ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fifindra-monina (IOM) tao anatin’ny tetikasa Sorebe. Nivoitra tamin’izany fa niisa 90 219 ireo olona niala ny toeram-ponenany nohon’ny rivodoza Emnati sy Batsiray.

Nampiasaina ny Displacement Tracking Matrix (DTM)

Nahafahana namoaka io antontan’isa io ny fampiasana ilay fitaovana antsoina hoe Displacement Tracking Matrix (DTM). Tanjona tamin'ny fampiasana io fitaovana io ny fanamorana ny famantarana ny filàn'ireo olona nifindra monina ireo. Amin’ny ankapobeny dia Distrika miisa 8 no nanatanterahana ny fanadihadiana. Nanomboka ny volana jolay hatramin’ny septambra 2023 ary ny volana mai 2024 no nidinana an-tsehatra nanatanterahana izany fanisana izany. Ity fitaovana ity ihany koa no nahalalana fa nisy faritra tena voa mafy tamin’ny rivodoza Batsirai sy Emnati iny. Hatramin’ny 43% ny fahasimbana tao Vatovavy, 38% ny tao Atsimo Atsinanana raha 28% ny tao Fitovinany. Araka izany mbola maro ireo faritra mila harenina ireo ary mbola maro ihany koa ny filàn’izy ireo mbola tsy voafehy.

Mbola mila tohana maro

Na efa ela aza no nisian'ireny loza voajanahary ireny, mbola maro ny tohana ilain'ny mpifindra monina. Anisan’izany ohatra ny toeram-ponenana, ny rano fisotro madio, ny tolotra ara-pahasalamana, ary ankoatr’izany ny fanohanana ara-tsaina sy ara-tsosialy. Raha tsiahivina dia ny taona 2022 tany amin’ny volana janoary tany no nandalo teto Madagasikara ireto rivodoza mahery be ireto. Hatramin’izao fotoana izao dia mbola tsy voaarina ara-dalana ny fiainan’ireo olona ireo. Marihina fa ity tetikasa ity dia natao mba hahalalana ireo mpifindra-monina ireo sy ny filàny ihany koa. Araka izany iny atrikasa iny dia fotoana iray natao hampahafantarana ny valin’ny fikarohana. Hatolotra ho an'ny governemanta sy ny mpiara-miombon'antoka aminy amin’ny fanomanana ny drafitra stratejika amin'ny fanampiana ireo traboina ireo ity vokatra ity. Vatsian’ny Governemanta Japoney vola ity tetikasa ity izay an’ny OIM ary hiarahana miasa amin’ny BNGRC.

Lire la suite

Articles Similaires