• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fametraham-pialan’ny Governemanta : Iza no hisolo an’i Ntsay Christian ?

11/07/2024 07:07 © Moov.Mg

Nametra-pialana omaly ny Praiminisitra sy ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta. Fanontaniana mipetraka ny hoe : hisolo amin’izay ny filohan’ny Governemanta sa mbola ho voatazona hatrany i Ntsay Christian, izay Praiminisitra nanana fe-potoam-piasana lava indrindra tato anatin'ny repoblika faha-4 ?

Avy any amin’ny maro an’isa

Nisongadina tao anatin’ny filàn-kevitry ny minisitra notontosaina omaly fa noraisin’ny Filohan’ny Repoblika ny didim-panjakana laharana 2024-1450 natao tamin’ny 10 jolay 2024, izay manaiky ny fametraham-pialan’ny Governemanta, ho fanajana ny fenitra demokratika. Samy miandry ny fananganana ny governemanta vaovao, araka izany ny rehetra, fa indrindra, ny anaran’izay ho Praiminisitra hitarika ny fahefana mpanatanteraka indray. Araka ny andininy faha-54 amin’ny Lalàmpanorenana moa dia tsy maintsy hiainga avy amin’ny Vondrona parlemantera manana ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimierampirenena ny fanolorana izany anaran’ny Praiminisitra vaovao izany, izany hoe : any amin’ny IRMAR ny baolina.

Minisitra nametra-pialana

Ankoatra ny praiminisitra dia tsiahivina fa minisitra fito ihany koa no nametra-pialàna tamin’ny governemanta farany teo, rehefa nirotsaka ho Solombavambahoaka. Lany ny enina tamin’izy ireo ary efa nandray ny toerany eny amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza. Manoloana izany, fanontaniana manitikitika ny maro ny hoe : mbola misy ho tafaverina ho Minisitra ve izy ireo ka hiverina handrafitra ny Governemanta vaovao vao hatsangana indray ? Tahaka izany koa Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa teo aloha, izay tsy isan’ireo lany, mbola hanana ny toerany ve ? Fa mandra-panendry ny Governemanta vaovao aloha, dia misahana ny fampandehanan-draharaha andavanandro ihany ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta izay nametra-pialana.

Lire la suite

Articles Similaires