• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fanamboarana ny fefilohan’i Kiembe Toliara : Ho vita miaraka amin’ny lalana mirefy 4 927 metatra

09/07/2024 12:40 © Moov.Mg

Tombanana ho vita amin’ny faran’ity taona 2024 ity ny fefilohan’i Kiembe, ao Toliara Faritra Atsimo Andrefana. Sady hiaro ireo faritra iva amin’ny fiakaran’ny rano ity fotodrafitrasa ity no hitondra fanavaozana amin’ny fvezivezena ao an-tampon-tanànan’i Toliara.

Fiakaran’ny ranomasina

Naorina mba hanohitra ny fidiran’ny ranomasina an-tanety ny fefilohan’i Kiembe. Ireo faritra iva ao amin’ny Fokontany Mahavatse sy Ankiembe no tena arovany amin’ny fiakaran’ny ranomasina sy amin’ny tondra-drano, izay mety hateraky ny rotsak’orana be loatra. Tanjon’ny asa fanamboarana ihany koa ny fampifandraisana ny fefiloha amin’ny lalam-pirenena faha-7. Mirefy 4 927 metatra ny halavan’ity lalana vaovao ity ary 7 metatra ny sakany, hampifandray ny Fokontany Ankiembe Ambany, eo akaikin’ny Seranan-tsambon’i Toliara sy ny Seranam-piaramanidina ary hanavatsava ny Fokontany Ankiembe, Motombe ary Andranomena. Raha ny vinavina dia maherin’ny iray ampahefatry ny asa no efa vita ary heverina ho vita tanteraka amin’ny faran’ity taona 2024 ity ny asa rehetra. Ny Banky eoropeanina ho an’ny Fampisam-bola (BEI) moa no mamatsy vola ny tetikasa.

Hanamora ny fivezivezena

Rehefa vita tanteraka ity fotodrafitrasa ity dia tsy hiangona amin’ny lalana intsony ny ranomasina sy ny rano avy any an-tampon-tanàna. Hisy ihany koa ny lalana mirefy 2,5 metatra ho an’ny « cyclo-pousse », ny toerana voatokana mirefy 900 metatra ho fiantsonan’ny lakana sy ny « haie en beton » ho fiarovana ny mponina manodidina. Heverina fa hitondra vahaolana amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana ao Toliara ny fahavitan’ity fefilohan’i Kiembe ity. Hanamora ihany koa ny fitaterana entana avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toliara izy ity, izay seranan-tsambo faharoa lehibe indrindra eto Madagasikara. Nidina ifotony nijery ny fizotry ny asa ny delagasiôna izay notarihin’ny Governoran’ny Faritra Atsimo-Andrefana, Ranoelson Tovondrainy Edally sy ny Ben’ny tanànan’i Toliara, Sidison Vita Dédé, niaraka tamin’ireo teknisianina teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Asa Vaventy (DRTP) Atsimo Andrefana, ny herinandro lasa teo.

Lire la suite

Articles Similaires