• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dgd
Image
Vaovao

Fadintseranana Malagasy : Misy misoloky, mitondra ny anarany, ao anaty Facebook

09/07/2024 10:42 © Moov.Mg

Matetika tato ho ato no nisy ny fampilazan’ireo rafi-panjakana isan-tsokajiny, noho ny fisian’ireo kaonty fako mampiasa ny anaran’izy ireo, any anaty tambajotran-tserasera. Saika ho entina misoloky hatrany izany, amin’ny akapobeny.

Taratasy hosoka

Tamin’ity indray mitoraka ity dia ny Fadintseranana Malagasy no namoaka filazana tao anatin’ny pejy Facebook-ny, fa misy kaonty fako (compte fake) izay misoloky ho kaontin'ny Fadintseranana. Raha ny sary navoakan’ny « Douane Malagasy » niaraka tamin’ity filazana ity, dia mitondra ny anarana « Infodouane » io kaonty misoloky io. Mampiasa ny sary famantarana ny Fadintseranana malagasy io pejy Facebook hosoka io. Ny ranty avoakany ao kosa dia taratasy hosoka, misy ny sonian’ny tale jeneralin’ny Fadintseranana, Lainkana Zafivanona Ernest. Fanambarana lavantina fiara, izay voalaza fa hotanterahina any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no voarakitra ao, ary mitaky vola fisoratana anarana, mba hahafahana mandray anjara amin’izany lavanty izany, ilay taratasy hosoka.

Fahadisoana mahamailo

Manoloana izao fisolokiana ny anaran’ny Fadintseranana izao, dia nilaza ny handray fepetra mahakasika ity fosolokiana ity ny « Douane Malagasy ». Nampahatsiahy ihany koa ity rantsa-mangaika eo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ity, fa ny pejy Facebook « Direction Générale des Douanes Malagasy » ihany no kaonty ôfisialin’ny Fadintseranana. Mila mailo, araka izany ny rehetra, fa tsy ho maimaika, rehefa mahita fanararaotra mivoaka any anaty tambajotran-tserasera. Ilaina ny mandinika sy mamaky tsara, mba tsy ho voafitaka. Raha ity taratasy hosoka navoakan’ilay kaonty fako ity tokoa mantsy izao, dia ahitana fahadisoana tokony hahamailo, toy ny hoe : « Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitsarana », eny amin’ny lohan’ny taratasy, izay ministera roa samy hafa, misaraka tsara, raha ny tokony ho izy. Eo ihany koa ny daty vita amin’ny tombo-kase manga fa tsy mena, ary ny mpanao sonia izay tsy voasoratra ny andraikiny… Ny pitsopitson-javatra toy izany dia efa tokony hahamailo. Afaka miantso ny laharana 360 rahateo, izay laharana tokana ahazoana ny Fadintseranana, raha mila fanazavana.

Tsy ity kaonty tokana ity ihany moa no tsikaritra fa misoloky ny anaran’ny Fadintseranana Malagasy, fa maromaro izy ireo ao anaty tambajotran-tserasera ao.

Lire la suite

Articles Similaires