• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Sainte-Marie : Mampiditra hatramin’ny 2 tapitrisa ariary isam-bolana ny fambolena lomotra

08/07/2024 21:24 © Moov

Samy manana ny mampiavaka azy ny faritra tsirairay, indrindra ny amin'ny fitrandrahana ny natiora. Ho an'i Sainte-Marie manokana, mampalaza azy ny fambolena lomotra (algoculture), noho ny fanananana ranomasina madio mangatsakatsaka, misy fari-drano somary marivo.

Loharanom-bola mahavelona

Manodidina ny 200 taonina isam-bolana eo ho eo ny lomotra vokarina ao Sainte-Marie. Mapidi-bola eo amin’ny Ar 1,5 ka hatramin’ny Ar 2 tapitrisa isam-bolana izany ny fambolena sy fivarotana io vokatra io. Matetika dia ireo orinasa na olon-tsotra misehatra amin'ny fanamboarana vokatra fikolokoloana endrika amam-bika no tena mividy ny "algues". Manankarena akora mampalefaka, manadio ary mampamandina ny hoditra mantsy izy.

Mba ho fanohanana sy famporisihana hatrany ireo mpisehatra, nidina ifotony tany an-toerana ny ekipan'ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena manga, notarihin'Andriamatoa Minisitra, Mahatante Tsimanaoraty Paubert. Tsara karakara ireo voly hita. Na izany aza, nanome toromarika hatrany ireo tompon'andraikitra ny amin'ny hanatsarana ny vokatra. Anisan'ny tokony atao isan'andro ohatra ny fanesorana ireo lomotra ratsy. Asiana elanelana sady atao mahitsy tsara ny voly mba hampitombo azy ireo tsara.


Copyright Image : © MPEB

Loharanon'asa maharitra

Miisa telo be izao ny orinasa misehatra amin'ny fambolena lomotra (algue) any Sainte-Marie. Tsy iza izany fa ny Madalague, ny SOVALG ary ny Nosy Boraha Seaweed na NBS. Olona manodidina ny arivo no misitraka asa mivantana na ankolaka amin'izany. Tsy azo lavina izany fa anisan'ny tena mamelona mponina maro ao Sainte-Marie ny fitrandrahana lomotra. Misy ohatra ireo mpikarakara ny voly anaty rano, mpanangona sy mpifantina ny vokatra, ary mpitaona ny vokatra amin'ny lakana.
Tsara ny mampahatsiahy fa miaro ny tontolo iainana ny fambolena lomotra. Mampihena ny tsindry amin'ny hazandranomasina manakaiky ny morontsiraka mantsy izany.


Copyright Image : © MPEB

Lire la suite

Articles Similaires