• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wwf
Image
Vaovao

Fikajiana ny tontolo iainana : Manohana ny fanamboarana konko ny WWF Madagasikara

08/07/2024 12:10 © Moov.Mg

Zava-dehibe ho an’ny fikajiana ny tontolo iainana ny hetsika rehetra miala amin’ny fandotoana sy ny fanomezana vahana ny fanodinana akora efa niasa. Isan’ireo fitaovana manaja ny tontolo iainana, fampiasan’ireo mpanjono Vezo efa hatramin’izay, ny konko. Manohana azy ireo amin’izany ny Tahiry Eran-tany ho an'ny Natiora (WWF Madagascar).

Fitaovana miaro ny hazandrano

Karazana harona voarary amin’ny tady, fampiasan’ireo mpanjono Vezo, ny konko. Maro ny hampiasan’izy ireo azy ity, na an-dranomasina na an-tanety. Itaterana hazan-dranomasina ity fitaovana ity ary noho ny fahaiza-manao ananan’ireo mpandrary azy dia afaka miaro ireo hazandrano tsy hiporitsaka izy, raha sendra misy fahasimbana ny lakana, na raha sendra rendrika. Ho an'ireo mpanjono amoron-dranomasina indray, afatotra amin'ny valahana no fanaovan’izy ireo azy, ho fitazonana ireo haza azo, hiarovana ny kalitaon’ireo hazan-drano tsy ho simban’ny vatohara, ary koa ahafahan'izy ireo manjono tsy misy manelingelina. Rehefa eny an-tanety moa dia ampiasaina ho fampirimana ireo fitaovana entina manjono ny konko. Raha fehezina dia fitaovana tena miasa be amin’ireo mpanjono ny konko. Tsy vitan’izany fa akora fototra efa niasa ary iverenana ampiasaina indray no anamboarana azy, noho izany dia sokajiana ho fitaovana miaro ny tontolo iainana.

Mifampita fahaizana

Nanohana ireo mpanjono any amin’ny faritra Mahafaly, any Atsimo Andrefana, ny WWF Madagascar tamin’ity taona 2024 ity, ka nanome azy ireo tady, izay akora fototra fanamboarana ny konko. Nisy ihany koa ny atrikasa nokarakaraina, izay nositrahan’ny vondron’olona ifotony miisa 350 avy amin'ny tanàna 4, dia Ankarapona, Ampiambaza, Lovobato ary Andomotse, tao amin'ny morontsirak'i Mahafaly. Fampianarana sy fifampizarana traikefa mahakasika ny fanamboarana konko no natao tamin’izany, niarahana tamin'ireo olona manana traikefa amin’ny fandrariana ity fitaovana ity. Nentina nampifandraisana ireo mponina ihany koa izao hetsika izao, nanamafisana ny fihavanana sy ny fiaraha-mientana, ka izy ireo no miara-mitahiry ny fomba fanamboarana nentim-paharazana ity fitaovana tena miasa be amin’ny mponina mpanjono ity.

Lire la suite

Articles Similaires