• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Spa
Image
Vaovao

Vonenina avy eto Madagasikara : Entina miady amin’ny fiovan’ny toetr’andro any Arabia Saodita

08/07/2024 09:26 © Moov.Mg

Miantraika amin’ny sehatra rehetra ary tsapa any amin’ny firenena rehetra ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro. Mpivahiny masina maherin’ny 1300 isa, ohatra, no namoy ny ainy tany Maka (La Mecque) Arabia Saodita, tamin’ny tapatapak’iny volana jona lasa teo iny, noho ny hafanana tafahoatra. Mba ho fiarovana ny tontolo iainana dia nanao hetsika niarahana ireo mpino silamo mivahiny any Médine.

Mifanaraka amin’ny toe-tany

Ny vonenina, na « pervenche de Madagascar » no nosafidian’izy ireo novolena teo amin’ny toerana malalaka mifanila amin’ny Môske an’ny Mpaminany ao Médine. Ny fiadidiana ny faritr’i Médine no nitarika ny hetsika, narahin’ny mpivahiny masina sy mpizahatany marobe, izay tonga mitsidika ny tanàna amin’izao fotoana izao. Tanjon’ny hetsika ny hanentanana momba ny fahapotehan’ny tontolo iainana sy ho fiarovana izany, fa ihany koa ny fampiroboroboana ny fandraisana andraikitra amin'ny maha-olompirenena sy ny firotsahana an-tsitrapo. Nosafidian’ny fitantanana ny tanànan’i Medina manokana kosa ny « Catharanthus » (anarana siantifikan’ny vonenina), izay voninkazo tsy fahita raha tsy eto Madagasikara. Mitondra tombontsoa betska mantsy izy, fa ihany koa afaka mifanaraka tsara amin’ny toetr’andro any an-toerana. Tsy vitan’izany fa tsara tarehy ny felany, ka azo entina mandravaka tsara ny toerana sy mitondra fitoniana ho an’ny mponina sy ny mpizahatany, hoy ny fanazavana.

Mitsabo ny homamiadana

Raha tsiahivina dia nihoatra ny 50°C ny mari-pana tany Arabia Saodita, ka nitarika ny fahafatesan’ireo olona marobe, tsy niomana tamin’izany hafanana mihoa-pampana izany, nandritra ny fivahinianan’izy ireo tany Maka. Isan’ny antony nahatonga ny fiadidiana ny tanànan’i Médine hampitombo ny isan’ireo toerana maitso any an-toerana izany, mba ho fitsinjovana ny tontolo iainana sy hiadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Tsy vao i Arabia Saodita akory ny firenena nisafidy ny hamboly ny vonenina, fa maro ireo firenena miezaka mampaniry azy ity ankehitriny, noho ny hatsarany, fa indrindra koa, noho izy manana molekiola azo entina mitsabo ny homamiadana ary tena mandaitra.

Lire la suite

Articles Similaires