• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 1 hatramin'ny 7 jolay 2024

08/07/2024 00:05 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 1 hatramin'ny alahady 7 jolay 2024

CENHOSOA # Bloc opératoire cardiaque, fandidiana maimaimpoana

Notokanana ny alakamisy 4 jolay lasa teo ny "bloc de chirurgie cardiaque à coeur ouvert" voalohany eto Madagasikara, ao amin'ny hopitaly miaramila Soavinandriana. Tsy voatery handeha any ivelany intsony izany ireo ankizy malagasy mila fandidiana ny aretin'ny fo fa ho vita eto an-toerana izany. Zaza malagasy miisa 4 no nisantantra ny fandidiana teto, ary tanteraka soa aman-tsara izany. Ho maimaimpoana ny fandidiana atao mandritra ny 5 taona. Hotohizana hatrany ireo ezaka efa natao amin'ny fampitaovana sy fananganana toeram-pitsaboana manakaiky vahoaka.
Nambaran'ny Filohan’ny Repoblika androany ihany koa fa hatsangana eto Madagasikara ny "centre de cardialogie" lehibe indrindra eto amin'ny ranomasimbe indiana. Hotohizana hatrany izany ireo ezaka efa natao amin'ny fampitaovana sy fananganana toeram-pitsaboana manakaiky vahoaka.

Antenimierampirenena # Fivoriana manokan'ireo depiote vaovao

Nisy didim-panjakana laharana 2024-1350 noraisin'ny Filankevitry ny minisitra ny 3 jolay lasa teo mikasika ireo depiote vaovao. Ampanatsoina avokoa ireo vao lanimbahoaka rehetra, miisa 163, hanatrika ny fivoriana voalohany ny 9 jolay ho avy izao. Ny anton'izany dia ny hananganana ny birao maharitra sy ireo vaomiera. Samy mikasa ny hiditra amin'izany birao sy vaomiera izany na ireo mpanohana ny fitondrana, na ireo mpanohitra na ireo tsy miankina. Mbola andrasana amin'ny fotoana manaraka ihany koa ny amin'ny fanolorana praiminisitra.

Autoroute # Mizotra tsara ny asa

Mizotra tsara ny fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina. Lalana mirefy 260km no amboarina. Ho vita ao anatin'ny adiny 2 ora sy sasany monja ny dia raha toa ka adin'ny roa ambin'ny folo ora no fotoana lany amin'ny lalam-pirenena faharoa ankehitriny.
Ho vita hatramin’ny faran'ity taona ity ny 25km voalohany amin'izany lalambe migodana izany, ary tanjona napetraky ny Fitondram-panjakana ny hamitana azy tanteraka hatramin’ny taona 2027. Tombontsoa ara-toekarena maro no azon'ny firenena malagasy amin'ny fahavitan'izany fotodrafitrasa goavana izany toy ny fihenan'ny fandaniana solika sy ny vidin'ny fitaterana ireo entana izay hifanindran-dalana amin'ny fihenan'ny vidim-piainana. Tsy adino ihany koa ny fampiroboroboana ny fizahantany.

Fanadinana BEPC # Nisy fiparitahana laza adina

Nafampana iny herinandro lasa iny, raha ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana BEPC no resahina. Vao ny andro voalohany, izany hoe ny alatsinainy 1 jolay mantsy dia efa nisy ny mpampianatra voasambotra tany amin'ny DREN Sofia. Mpianatra miisa 18 ihany koa no tsy nahazo niatrika ny fanadinana noho ny fahitana laza adina. Nisy ihany koa ny fiparitahana laza adina tamin'ny faritra hafa, sy ny teto Antananarivo (Nanisana, Soamanandrariny, Antanimbarinandriana, Antanimena, Itaosy, Andranomena, sns). Ny andro faha-4, dia ny alakamisy 4 jolay, dia maro ireo foibem-panjakana voatery nanolo ny laza adina.
Tsy ny fiparitahan'ny laza adina ihany no olana fa nisy ihany koa ny fahatratrarana hosoka. "Ni-fraude" ny mpianatra miisa efatra tany Anosibe An'Ala, tamin'ny taranja Histo-géo. Ny tena nahagaga nefa dia nisy taratasy efa nisy laza adina sy valiny teny amin'izy ireo.

Fanadinana BEPC # Efa mivoaka amin'ny ampahany ny vokatra

Ny sabotsy 6 jolay lasa teo no nanomboka namoaka ny valim-panadinana BEPC ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena. Nivaly aloha be izany tamin'ity taona ity. Tamin'ny andro faharoan'ny fanadinana (talata 2 jolay) mantsy dia efa nanomboka ny fitsarana ireo taratasim-panadinana. Ireto faritra ireto, ivelan'Antananarivo Renivohitra avokoa, no efa nahazoana vokatra hatramin'ny omaly alahady 7 jolay : Andramasina, Iakora, Ambatomainty, Mandoto, Ambohidratrimo, Manjakandriana, Befotaka Kandreho, Besalampy, Ikalamavony, Faratsiho, Betafo, Midongy, Morafenobe ary Maintirano. Azo atao ny mitsidika ny tranokalan'ny MEN, na mandefa SMS ny "numéro d'inscription" amin'ny laharana 601.

Fitsarana miaramila # Nisokatra ny 6 jolay

Ny asabotsy 6 jolay lasa teo no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Fitsarana Miaramila, manerana an’i Madagasikara. Ny 13 oktobra izany vao hifarana. Raha ho an’ny eto Antananarivo manokana, hatramin’ny 4 aogositra ny Fitsarana Miaramila, eny amin’ny Kianja Betongolo.
Voatondro tokony hitsara miaramila ny tanora lahy sy vavy 19 hatramin'ny 31 taona ary mizaka ny zom-pirenena Malagasy araka ny fanazavana noentin'ny Talen'ny fanompoam-pirenena sy fitantanana fiandry, Raolison Robert. Voakasik'ity andiany ity ny teraka ny 1 Janoary 1993 hatramin'ny 31 desambra 2005. Mila mitondra karapanondro ireo te hiatrika ny Fitsarana Miaramila rehetra.

Ministeran'ny Fitsarana # Fanampiana ireo tsy manan-kialofana

Mitohy hatrany ny fitsinjovana an'ireo olona sahirana ara-pivelomana sy tsy manan-kialofana, izay notarihin'ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana, Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina mpisolo toerana Lany Mbolatiana Randriamanantenasoa. Mpatory an-dalana miisa 500 no nisitraka sakafo mafana sy lamba firakotra. Ny teny amin'ny faritra Ambodifilao, Antanimena, Behoririka, Mahavoky, Andravoahangy, Ankadimbahoaka, Anosy, ary Antaninarenina no nahazo tombony manokana. Nisy mpatory an-dalana efa nisitraka fanomezana ihany koa, tamin'ny herinandron'ny fetim-pirenena iny. Nisy hatrany ny fanentanana ireo tsy manan-kialofana hanantona ny SEBA Akany Fianakaviana miarina sy ny MADCAP Akany Fialofana ao Isotry.

Fanodinana ny fako # Toby fifantenana sy fanodinana fako any Toamasina

Tsy maintsy ho tontosaina ny tetikasa hametrahana tobi-pifantenana ny fako sy ny fanodinana azy ireny amin'ireo tanàn-dehibe eto Madagasikara. Ny faritra Analamanga (Manandriana) sy Antsinanana (Toamasina) no hametrahana izany amin'ity taona 2024, ary Analamanga (Atsimondrano , Vakinankaratra Ary Atsimo Andrefana kosa ny taona 2025.
Hotokanana amin'ity volana Jolay ity ny any Toamasina. Fako 60 taonina isan'andro no kasaina ahodina ho zezika hampiasain'ny mpamboly, ny fako plastika izay haodina ho "pavé autobloquant" hampiasaina amin'ny fanamboaran-dalana. Ny fako ekolojika kosa dia ahodina ho arina fandrehitra hampienana ny fandripahana ala.

CUA & Masoivohon'i Sina # Fanolorana fanampiana ho an'ny zokiolona

Hetsika fanaon'ny CUA ny fanampiana ireo marefo, izay tohanan'ny Masoivohon'i Sina eto Madagasikara. Zokiolona miisa 672, teny amin'ny boriboritany faharoa sy fahefatra indray no nahazo fanampiana ara-tsosialy, toy ny vary, menaka, siramamy ary bodofotsy mafana. 384 tao amin'ny boriboritany fahefatra, raha toa ka 288 no nisitraka izany tao amin'ny boriboritany faharoa.Tamin'ny alatsinainy 1 jolay 2024 no nanatanterahana ny fizarana. Mbola hitohy manerana ny boriboritany enina mandrafitra ny tanànan'Antananarivo. Boriborintany 3 izany izay no efa nahazo ny tolotra, dia ny faharoa, fahaefatra ary fahadimy.

Faritra Analanjirofo # Hisokatra ny 10 jolay ny taompiotazana lavanila

Andro vitsy sisa no isaina dia hisokatra ny taom-piotazana lavanila maitso any Analanjirofo, amina distrika enina. Afaka roa herinandro aorian’io kosa, izany hoe ny 24 Jolay 2024, no hanomboka ny taom-piotazana any amin’ny toerana anelanelany ao anatin’ny faritra Analanjirofo ihany, raha ny 27 Jolay 2024 ho an’ny toerana avo. Eny amin’ny Tsena voaara-maso (marché contrôlé) ihany no anaovana ny fifampivarotana.
Any amin’ny 90 andro aorian’ny fisokafan’ny taom-piotazana lavanila maitso no manomboka ny fifampivarotana lavanila voaomana isak’ireo sokajin-toerana voalaza ireo avy.

Lire la suite

Articles Similaires