• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fondation Tany Meva
Image
Vaovao

Fihariana : Miisa 3 700 eo ho eo ireo kôperativa tokony ho lasa orinasa eto Madagasikara

05/07/2024 16:36 © Moov

Eo ho eo amin’ny 3 700 ny isan’ireo kôperativa eto Madagasikara tokony ho lasa orinasa. Izany no nambaran’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra (MIC). Nankalazaina tamin’ity anio ity manko ny andro maneran-tany ho an’ny kôperativa. Mbola maro ireo ezaka hatao hanampiana ireny olona ireny. Ny kôperativa orinasa miroso amin’ny fandraharahana no lohahevitra tamin’ity fankalazana ity.

Mila fampahafantarana bebe kokoa

Efa mitombo amin’izao fotoana izao ny lalàna fanavaozana ny fiforonan’ny orinasa. Ao anatin’izany ny lalàna mikasika ny orinasa kôperativa. Afaka manangana orinasa ny olona rehetra mikambana ao anatin’ny kôperativa. « Mbola betsaka ny tsy mahafantatra izany. Mila fampahafantarana mivelatra be izany mba hipaka amin’ny olona mpikambana rehetra », hoy hatrany ny Minisitra Edgard Razafindravahy. Maro ny tombony azo avy amin’ny firaisana ao anatin’izany kôperativa izany. Ohatra amin’izany ny kôperativa mpamboly lavanila izay nahazo alalana hanondrana avy amin’ny MIC. Miakatra ny vola miditra ary mitombo ny fahafahana mampitombo ny fihariana ao anatin’izany. Marihina moa fa tonga teto Antananarivo avokoa ny ankamaroan’ireo mpitantana kôperativa sy tantsaha tamin’ity fankalazana ity.

Hampianarina mitady vola

Maro ny kôperativa eto Madagasikara. Mivory hatrany izy ireo saingy tsy manao resa-bola sy resaka fihariana. « Mila hampianarina izy ireo hoe afaka resahana tsara izany fampitomboana vola raisina izany. Hampianarina azy ireo ihany koa ny fomba atao hanatrarana izany tanjona izany », hoy hatrany ny fanazavana. Nanamarika izany ihany koa ireo mpitantana kôperativa. « Mbola mila ezaka maro be ny fomba fampianarana ny mpikambana ny fomba hampandehanana ilay orinasa kôperativa. Ahoana ihany koa ny handraisan’ny tsirairay anjara amin’izany sy hahazoan’ny tsirairay tombony avy eo », hoy ny solontenan’ireo Kôperativa tonga nanatrika ny fankalazana. Hitondra an’ny Madagasikara amin’ny fampandrosoana ny fisian’ireo orinasa kôperativa maro ka izany no antony tsy maintsy hampiroboroboana azy.

Lire la suite

Articles Similaires