• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Remapsen
Image
Vaovao

Famarinana olona : 90.000 isan-taona ny horonan-tsary mamoafady ataon’ny zatovo, mivoaka eto Madagasikara

05/07/2024 11:12 © Moov.Mg

Tranga mamohehatra misy eto Madagasikara ny famarinana olona, na mankany ivelany, na eto an-toerana ihany, saingy tsy voaresaka matetika. Miseho amin’ny endriny maro izany, fa saingy mazàna no tsy fantatra.

Miseho amin’ny endrika maro

Araka ny voalazan’ny Fehezan-dalàna famaizana mikasika ny fandratoana na famarinana olona sy ny fizahan-tany mamoafady, dia voafaritra ao anatin’ny atao hoe : famarinana olona ny « fanoratana, fitaterana, famindrana toerana, fampiantranoana, na fandraisana olona, amin’ny alàlan’ny fandrahonana na fampiasana hery na endrim-panerena hafa, amin’ny alàlan’ny fakàna ankeriny, hosoka, fitaka, fanamparam-pahefana na toe-javatra mora mampandaitra, na fanekena fandoavam-bola na tombon-tsoa mba ahazahoana ny fanekena avy amin’olona iray, izay manam-pahefana amin’olona iray hafa ». Tamin’ny taona 2014 i Madagasikara no nankatoa ny lalàna mifehy ny ady amin’ny famarinana olona ary nametraka ny birao nasiônaly miady amin’ny famarinana olona (BNLTEH), izay mijoro eo anivon’ny Primatiora, mba handrindra ny ezaky ny Fanjakana malagasy amin’io ady amin’ny famarinana olona io. Miseho amin’ny endriny maro ity zava-doza ity, fa mazàna no ny fandefasana mpiasa an-tsokosoko mankany ivelany no tena tonga ao an-tsaina. Endrika iray isehoan’ny famarinana olona mankany ivelany izany. Fa eto an-toerana ihany koa, dia efa azo sokajiana ho famarinana olona ny fanararaotana sy fanitsakitsahana ny zo maha-olona ireo mpiasa an-trano sy ireo mpiasa any amin’ny orinasa.

Tetikasa Elatra

Noho izay tsy fahafantarana loatra ny momba ny famarinana olona izay, dia mampiofana ireo mpanao gazety, izay isan’ny afaka mivoy ny ady amin’ny famarinana olona, ny fikambanana tsy miankina Women Lead Movement Madagascar (WLM Madagascar), ao anatin’ny tetikasa Elatra, iarahana amin’ny BNLTH. Ireo vehivavy niharan’ny herisetra sy niharan’ny famarinana olona no raisina an-tanana ao anatin’ity tetikasa Elatra ity, araka ny fanazavan-dRasamimanana Riambelo Onjaniaina, talen’ny ONG WLM Madagascar. Misy 150 izy ireo ankehitriny no ofanina mba hamerenna azy ireo eo anivon’ny fiarahamonina indray sy hanarenana ny fiainany. Isan’ny asa hatao ao anatin’izany ny famerenana ny fahatokisan-tenan’izy ireo indray, ka hahasahiany miatrika ny fifantenana eny anivon’ireny orinasa tsy miankina ireny, ohatra, ka hahazoany asa mendrika sy manaja ny zon’olombelona. Ny fampiofanana ho an’ny mpanao gazety kosa dia notontosaina omaly, ho an’ny andiany voalohany ary androany, ho an’ny andiany faharoa.

Fanandevozana

Raha ny nambaran-dRamahandrisoa Éric, sekretera mpanatanteraky ny BNLTEH, dia ireo vehivavy avy any amin’ny faritra avaratry ny nosy, toa an’i Nosy Be, Andapa, SAVA sy DIANA no tena betsaka tratran’ny famarinana olona mankany ivelany. Ho an’ny fanondranana ato anatiny, dia ireo ankizy avy any ambanivohitra manodidina an’Antananarivo sy avy any amin’ny faritra Amoron’i Mania, izay alaina hiasa aty an-drenivohitra, no tena betsaka miaina fanandevozana. Ho an’ny endrika famarinan’olona hafa, dia isan’ny tranga mateti-piseho ihany koa ny fampiasana ankizy eo amin'ny sehatry ny horonan-tsarimihetsika mamoafady. Miisa 90.000 isan-taona izany karazana horonan-tsary izany no mivoaka avy eto Madagasikara, vokarin’ny zatovo malagasy. Ankoatra ireo, endrika mety hisehoan’ny famarinana olona ihany koa ny fampanambadiana an-tery, ny fanerena ankizy hangataka sy ny asa an-terivozona isan-karazany. Misy ihany koa anefa ireo olona avy any ivelany avarina manketo amintsika, izay alefa miasa amin’ny toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany, raha ny voalazan’ny sekretera mpanatanteraky ny BNLTEH.

Ny fiaraha-mientan’ny rehetra no ahafahana miady amin’ny famarinana olona. Any amin’ny faran’ireo dingana fampiofanana sy fampahafantarana dia hiaraka hametraka paikady ahafahana miady amin’ny famarinana olona ny mpanao gazety, ny fiarahamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires