• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Jono makamba : Isan’ny olana atrehina ny fanaratoana amin’ny lay misy odimoka

05/07/2024 08:20 © Moov.Mg

Mandalo fotoan-tsarotra ny jono makamba ankehitriny. Voakasik’izany avokoa na ny jono vaventy na ny jono madinika. Isan’ny mampidi-bola betsaka ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana anefa ity seha-pihariana iray ity.

Fahalanian-tamingana

Maro ireo olana atrehin’ny jono makamba, araka ny fanazavana nentin’ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB), Mahatante Tsimanaoraty Paubert. Ho an’ny jono vaventy dia miantraika amin’ity seha-pihariana ity ny fiakaran’ny vidin’ny solika. Teo aloha mantsy dia tsy nandoa haba tamin’izany solika izany ireo mpajono makamba, saingy noesorin’ny Fanjakana izany fahalalahana izany ankehitriny. Araka ny fampahafantarana nataon’ny miisitry ny MPEB anefa, mahalany solika manodidina ny 4.000 litatra any ho any ny sambo mpanjono makamba iray isan’andro. Vokatr’izay dia tsy maintsy mampitombo ny vokatra makamba jonoiny ireo mpanjono vaventy, mba hahaleo ny sarany ny vidiny. Etsy an-daniny, nametraka ny Fanjakana malagasy, tamin’ny volana jolay 2021, fa any ho any amin’ny 4 km anaty ranomasina any vao afaka manjono ireo mpampiasa sambo, saingy tsy ahitana makamba firy ankehitriny, any amin’ny fari-dranomasina nahazoan’izy ireo alalana, fa trondro tsy manana lanjam-bidy firy, toy ny tretreky, no tena hita betsaka any. Mahafaty antoka azy ireo izany. Niantso ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, noho izany ny minisitra Mahatante Paubert, mba hiara-hidinika momba ny fomba azo anombanana ireo tahirina makamba mbola ananan’i Madagasikara. Izany no atao, dia mba hisorohana indrindra ny fahalanian-tamingana.

Poizina mamono bibikely

Eo amin’ny jono madinika indray, dia ny fanaratoan’ny mpanjono sasany amin’ny lay misy odimoka no tena olana lehibe indrindra atrehina amin’izao fotoana izao, ary ataon’ny MPEB ho vaindohan-draharaha mihitsy ny ady amin’izany. Ny antony voalohany dia satria ahitana fanafody famonoana bibikely mahatratra 452 isa, mamonto ireny lay ireny. Sady manimba ny fahasalaman’ny olombelona izany raha tafiditra any anaty, no manimba ny tontolo iainana ihany koa. Tsy vitan’izany fa madinika kely ny kilavadavaky ny lay, hany ka voaraokany daholo hatramin’ny zana-trondro, ny atodin-tondro hatramin’ny tranon-trondro aza. Ny lay ihany koa dia ampiasain’ny mpanjono sasany hanamboarana ireny antsoina hoe : harato sarika, haratobe, tarikaky, harato bekobo, ramikaoko, ramangaoka… (senne de plage) ireny, izay hamandrihana ny makamba ety amoron-dranomasina. Marobe eto Madagasikara ny Faritra mampiasa io fitaoana io (porofon’izany ireo anarana samihafa iantsoana azy), toy ny any Menabe, Atsimo Andrefana, Boeny, Sofia… Any Menabe fotsiny dia mahatratra 3 000 hatramin’ny 5 000 isa no hitan’ny MPEB, tamin’ny fanadihadiana nataony.

Voararan’ny lalàna

Araka ny fanazavan’ny minisitra Mahatante Paubert anefa dia eny amoron-drano, anaty honko, na lomotra, no mitady izay sakafo haniny ny trondro mbola kely. Lasa mihinana poizina avy amin’ny lay misy odimoka, noho izany ny zana-trondro sy ny zanaka makamba. Araka ny voka-pikarohana, ny 65%-n’ny hazandrano azon’ity fomba amin’ny harato sarika ity dia zanany avokoa. Tsy vitan’izany fa mamotika ny atodin’ny hazandrano sy ny toeram-panatodizany ary ny toeram-ponenany ity fomba fanjonoana ity. Ankoatra izay, lasa mihena ny hazandrano azon’ireo mpanjono amin’ny fomba ara-dalàna, ka miantraika amin’ny asa fiveloman’izy ireo izany. Misy mihitsy aza ireo hazandrano lany tamingana, vokatry ny fisian’ny harato sarika. Tsiahivina fa i Madagasikara dia manana ny Didim-pitondrana laharana faha-290/2018 tamin’ny 11 janoary 2018, izay mandrara ny fampiasana ireo fitaovam-panjonoana vita amin’ny lay manerana an’i Madagasikara sy ny fari-dranomasina eo ambany fiahiany.

Lire la suite

Articles Similaires