• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Raberahona Mamy Tiana
Image
Vaovao

« Mon ami s’appelait Rainivoanjo » : Boky hivoaka tsy ho ela, tantaran’ilay jiolahy nahay niova ho biby

21/05/2024 15:00 © Moov.Mg

Isan’ireo tantara toa misary angano, fantatry ny Malagasy maro, ny tantaran-dRainivoanjo. Samy manana izy heveriny ho fantany sy marina momba izany Rainivoanjo izany ihany koa anefa, noho ireo tantara tsy mampino mifampiampita momba azy. Nanao fikarohana mikasika ity voalaza fa jiolahy manana hery mahagaga ity Raberahona Mamy Tiana ary havoaka boky atsy ho atsy izany

Nivadika ho biby

Nalaza tokoa izany Rainivoanjo izany, hany ka na ny tarika Mahaleo aza dia namadika ny sombin-tantarany ho hira. Izany Rainivoanjo izany, « hono », dia mpangalatra. Tsy nangalatra ho an’ny tenany sy ny fitiavan-tenany fotsiny anefa izy, fa nangalatra ho fanasoavana ny hafa. « Robin des bois gasy », hoy ny filazan’ny sasany. Ireo mpanam-bola « hono » no angalarany, dia omeny ny mahantra izay azony. Nisy fotoana « hono » izy voatifitra, saingy tsy maty, ary nanjavona. Nisy fotoana koa, « hono » izy efa voasambotra sy nalefa teny amin’ny fonjan’i Tsiafahy, saingy nivadika ho bibilava, ka tafatsoaka. Voalazan’ny tantara ifampitana mihitsy, fa mahay miovaova endrika izany Rainivoanjo izany, ary nanana talenta tamin’ny fiovana ho lasa biby.

Fikarohana 10 taona

« Mon ami s’appelait Rainivoanjo » (Rainivoanjo no anaran’ilay namako), io no lohatenin’ity boky nosoratan-dRaberahona Mamy Tiana ity. Ny sehatry ny fanoratana sy fandrindrana sarimihetsika no ahafantarana azy, fa amin’ity indray mitoraka ity dia boky no nosoratany. Fikarohana natao nandritra ny 10 taona no nahavitany nanoratra ity tantara ity, izay niainga tamin’ny fijoroana vavolombelon’i Richard R., mpiambona fonja fahiny ary efa 95 taona ankehitriny. Lasa naman-dRainivoanjo ity lehilahy ity ary izy no mitondra ny tantara, ao anatin’ilay boky. Nanampy an-dRaberahona Mamy Tiana tamin’ny fanoratana ihany koa, ireo lahatsoratra an-gazety sy ny fijoroana vavolombelon’ireo niara-niaina tamin-dRainivoanjo. Araka ny fanazavana dia hahitana taratra ny tantaran'i Madagasikara teo anelanelan’ny taona 60-70 ihany koa ity tantaran-dRainivoanjo ity. Any Parisy no hamoahana azy amin’ny fomba ôfisialy.

Lire la suite

Articles Similaires