• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

Toetr’andro : Tombanana hivadika rivo-doza amin’ny faran’ny herinandro izao ilay andro ratsy

15/05/2024 21:37 © Moov

Na dia efa tapitra aza ny fotoan’ny fahavaratra dia manangasanga any indray ny rivo-doza izay heverina ho farany amin’ity taona ity. Tombanan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro hivadika ho rivo-doza ny faran’ny herinandro izao ilay andro ratsy arahi-maso ao amin’ny Ranomasimbe Indianina. Tsy misy ahiana kosa ny mety hikasihany an’ny Madagasikara.

Tsy misy fiantraikany

Tsy misy fiovana ny tombana hatramin’izao fa mbola mitoetra ao avaratra somary avaratra atsinanan’ny Nosy hatrany ilay tangoron-drahona, hoy ny teknisianina avy ao amin’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro. Mbola arah-maso akaiky anefa izy io saingy hatreto dia mbola tsy misy fiovana ny tombana. Tsy misy fiovana ny mety ho fiolanany, hatramin’izao dia mbola voasokajy ho voaaro i Madagasikatra satria tsy misy ahiana ny mety hikasihany an’ny Madagasikara na ny mety ho fiantraikany mivantana amin’ny Nosy. Tsy mbola misy fiantraikany mivantana amin’ny mety ho toetry ny andro manomboka rahampitso ihany koa ity rivo-doza ity na dia mety hampidina kely ny mari-pana ihany aza izany mandritra ny telo andro.

Hahery ny ranomasina

Na dia tsy atahorana aza ny fiantraikan’ity rivo-doza ity mivantana dia mila mitandrina hatrany ny mpampiasa ranomasina. Hikorontana ny toetr’andro eny an-dranomasina, izany hoe any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana sy atsimo atsinanana, noho ny alon-drano vaventy ateraky ny tsioka izay misy ao atsimo. Tombanana hisy alon-drano ateraky ny varatr’aza any amin’ny sisiny atsinana manomboka rahampitso. Mila mitandrina raka izany ireo mpampiasa ranomasina satria hahery ny ranomasina ary hiakatra ny hahavon’ny onja izany hoe manodidina ny 3 hatramin’ny 3,5 mm eo anelanelan’ny tanjoona Vohemar hatrany Vangaindrano. Ireo mpampiasa ranomasina rehetra amin’iny ilany atsinanana iny no tena mila mandray fepetra hentitra amin’izany hirovana ny tsirairay.

Lire la suite

Articles Similaires